Tantara mikasika ny Nizeria tamin'ny Mey, 2017
Nanjavona Indray Ny Filoha Ao Nizeria, Ary Te-hahafantatra ny Antony Ireo Nizeriana
Vao avy niverina avy any amin'ny Fanjakana Britanika i Buhari rehefa avy niala sasatra noho ny fitsaboana nandritra ny herinandro maromaro kanefa nitsikafona ny fanontaniana momba ny fahasalamany rehefa tsy tonga nanatrika ny fivorian'ny mpanatanteraka federaly izy tamin'ny 12 Aprily. Ary mbola tsy tao ihany izy.
Nandritra ny Fitsidihany Tao Nizeria, Narehitry ny CNN Indray ny Adin'ny Vary Jollof tao Afrika Andrefana
Kiakan-katezerana no nanakoako nanerana an'i Nizerià rehefa napetraky ny mpanao gazety avy amin'ny CNN tamin'ny toerana manahirana ny minisitry ny fampahalalambaovao ao amin'ny firenena, taminà fanontaniana iray mandranitra momba ny sakafo malaza iray ao an-toerana.
Avonavon'Ampanjaka Tamin'Ampanjaka Iray Hafa Niteraka Adihevitra Mafana Tao Nizeria
Nanevateva ampahibemaso ny Ooni ao Ife nandritra ny lanonana tao Lagos ny Oba ao Lagos. Niteraka resabe teo amin'ireo mpiserasera izany