Tantara mikasika ny Nizeria tamin'ny Septambra, 2010
Teknolojia ho an'ny Fangaraharahana : lesona dimy azo notsoahina
Manasongadina ireo lesona avy amin'ny fiodinana voalohany tao amin'ny tetikasa fikarohana fiaraha-miasan'ny Teknolojia ho an'ny tambajotra mangarahara an'i Global Voices, i Rebekah Heacock sy i Renata Avila izay mizara rohy maro mikasika ireo fandraisan'anjara nahitana fahombiazana tamin'ny aterineto
Nizeria: Noana Foana Na Dia Mitobaka Aza Ny Solika
Raha mbola mihanaka ao amin'ny helodranon'i Meksika sy miseho ho lohateny lehibe amin'ny gazety hatrany ny soliky ny BP Amerikana (Etazonia), dia nisy loza nanintona kely ny fampahalalam-baovao manerantany ihany koa any amin'ny firenena iray hafa—Nizeria. Firenena Afrikana be mponina indrindra ary iray ao anatin'ny 10 mpanondrana solika be indrindra manerantany i Nizeria ary izy ihany koa no mpitrandraka voalohany ity solika ity eto Afrika
Afrika: Mizara ireo fahatsiarovan-dry zareo ny fahazazany amin'ny aterineto ireo Afrikana
Bilaogy iray ahitana andian-dahatsoratra nosoratan'ireo Afrikana manerana an'izao tontolo izao mikasika ny fahazazany ny That African Girl . Bilaogy iray mikasika ny fitomboana tao anatina fianakaviana Afrikana sy ny fianarana miaina ao anatina tontolo roa izy io . Efa nipetraka tany Afrika sy tany Andrefana ireo mpitoraka bilaogy izay mizara ireo fahatsiarovany ao .