Tantara mikasika ny Mozambika
Mozambika: hetsika media feno famoronana, ahafahan'ireo vondrona marefo mahazo vaovao
Ny TV Surdo, hetsika iray noforonina tamin'ny 2008, dia mikendry ny hamokatra votoaty ho an'ireo olona manana fahasembanana ara-pahitàna sy fandrenesana.
Tsy holavina amin'ny Mozambikana noho ny fomba fitafiny intsony ny fitsaboana
Namoaka tenimidina ny Minisiteran'ny Fahasalamana (MISAU) nanakivy ireo matihanina ara-pahasalamana handrara ny olona amin'ny fidirana toeram-pahasalamana noho ny fomba fitafiny na zava-madinika hafa.
Nandrombaka ny Loka Camões 2021 i Paulina Chiziane, mpanoratra Mozambikana
Teraka tao Manjacaze, Mozambika i Paulina Chiziane, 66 taona ary nianatra momba ny Fiteny tany Maputo. Tao anatin'ny 33 taona, fanintelony izao ny mpanoratra mozambikana no nahazo ny loka.
Ny naposaky ny Pandora Papers manerana ny firenena miteny paortiogey
Mpanao politika maro no voarohirohy tany Angola, Mozambika ary Portiogaly. Talohan'izay, tsy mbola voapaingotra tamin'ny afera maizina any ivelany ny anaran'izy ireo.
Miteraka resabe ao Môzambika ny sarina ravin-drongony hita amin'ny zava-pisotro iray manome tanjaka
Lazain'ireo manampahefana fa mamporisika ny fanjifàna cannabis ilay zavapisoro, izay voarara ao Môzambika..
Niteraka fihetsiketsehana ny fankatoavana ny tombontsoa ho an'ny mpiasan'ny antenimieran'ny Repoblika any Mozambika
Tsy misitraka tombontsoa mitovy amin'izany ireo mpiasam-panjakana Mozambikana hafa.
Am-polony no maty ary nafindra toerana ny mponina tao an-tanàna tamin'ny fanafihana vaovao nitranga tany Cabo Delgado, Mozambika
Teo akaikin'ny toerana fanodinana etona voajanahary lehibe indrindra ao Afrika no nipoahan'ny zava-nitranga ary mbola mitohy ny fifampitifirana eo amin'ny miaramila sy ny milisy.
Namela heloka ny lehilahy roa naniratsira azy tamina horonantsary niparitaka be ny filoha Mozambikana
Nosamborina ny iray tamin'izy ireo ary niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy ilay raharaha.
Nikasa ny handroaka ilay mpanao gazety vahiny i Mozambika
Tom Bower no mpanorina ny tranonkalam-baovao Zitamar News, izay noderaina noho ny fitantarany momba ny ady mitam-piadiana tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado tato anatin'ny taona vitsy lasa.
Naverina indray ny lalao football mozambikana ary vehivavy avokoa ny mpitsara telo tamin'ny fisantarana izany
Niverina holalaovina tamin'ny 16 janoary indray ny fifaninanam-pirenena ho tompondakan'i Mozambika amin'ny sehatra matihanina amin'ny football, izay fantatra amin'ny anarana hoe Moçambola rehefa niato nandritra ny 10 volana noho ny valan'aretina COVID-19.