Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Maoritania

15 Oktobra 2018

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny...

17 Septambra 2018

Atrikasan'ny Bilaogera Arabo : Ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter ny andro voalohany

Raha nanatona ny fiafarana ny andro voalohany tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo Faharoa izay fanao isan-taona dia nojerena ny fomba fijerin'ny mpandray anjara nandritra ny tontolo andro mba hamantarana ny zavatra azony sy ny fihetseham-pony.

12 Septambra 2018

Maoritania: Fanonganam-panjakana

Tokony ho tamin'ny 5 ora, ora tao an-toerana (sy GMT), azon'ireo miaramila mpiambina ny filoham-pirenena ny fifehezana ireo tranoben'ny fitantanan-draharaha, ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, ary nobahanany ny fidirana tao amin'ny lapa sy ireo minisitera.

Mifandresy Lahatra Miaraka Amin'ny “Hanana” Ny Filankevitry ny Tafika Maoritaniana

Manao tatitra ny *Al Akhbar (Ireo Vaovao - teny Arabo) tamin'ny 7: 13 hariva ny Filanekvitry ny Tafika ho amin'ny Rariny sy ny Demokrasia dia nifandresy lahatra tamin'ny Saleh Weld Hanana, ilay filohan'ny Reform Knights - izay nitarika ny fanonganampanjakana voalohany tamin'ny Jona 2003. Nogadraina mandrapahafaty i Hanana nanomboka teo.

10 Septambra 2018

Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna

Manoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ny Firaisankina Maghreb ny blaogera toniziana Big Trap Boy, izay ahitana an'ireo firenena avy ao Afrika Avaratra, sy ireo tombontsoany ho an'ny vahoaka rehetra ao amin'ny faritra. Antsoiny ihany koa ireo blaogera toniziana sy ireo Maraokana, Alzeriana, Maoritaniana ary Libiana mba hanao ny andron'ny...

03 Septambra 2018

Tonizia: Ireo Fifidianana Ao Maoritania, Ilay Ampinga Lehibe Ary Mohamed Abbou

Saika tsy dia noraharahain'ny tontolombolongana Toniziana ny fifidianana filoham-pirenena tao Maoritania. I Nadia de Tunis [teny frantsay] irery ihany no misarika ny saina hankamin'io tranga ara-tantara ao amin'ny firenena io, izy izay mpikambana amin'ny UMA (Union du Maghreb Arabe). Ao anatin'ity lahatsoratra ity, resahan' i Nadia ny fanapahankevitra "mahagaga" nikarakarana...

31 Aogositra 2018

Maoritania : Antomotra ny Fifidianana Solombavam-bahoaka, Nosamborin'ny Fitondrana i Biram Dah Abeid, Ilay Mpikatroka Mpanohitra Ny Fanandevozana

Na efa nanomboka tamin'ny 1981 aza ny tsy maha-ara-dalàna azy any Maoritania, dia mbola misy foana ny fanandevozana ao amin'ny firenena. Vinavinaina ho ny 20%-n'ny mponina no olona miaina amin'ny fanompoana.

27 Jolay 2018

Afrika Avaratra: Fijirihana sy Famotehana tranonkalan'ireo antoko politika mpanohitra

GV Mpisolovava

Mihalasa lasibatra manokan'ireo mpijirika (jiolahy informatika) ny tranonkalan'ny mpanohitra ao amin'ireo firenena any Afrika Avaratra, indrindra ao Tiorkia, Libia, sy Maoritania.

20 Jolay 2018

Maoritania: Mpanao Gazety Iray Voasambotra, Tranonkala Mpampita Vaovao Iray Nosakanana Ary Fihetsiketsehana Iray Nofaizina

GV Mpisolovava

Nosamborina tamin'ny Alatsinainy 16 martsa 2009 i Abbass Ould Braham, maoritaniana iray mpanao gazety ety amin'ny Aterineto, noho ny lahatsoratra iray izay navoakany teo amin'ny vohikala Taqadoumy. Ny Taqadoumy.com no nitatitra ny vaovao mikasika ny fisamborana azy ary naverin'ireo vohikala maoritaniana marobe izy io.

12 Jolay 2018

Maoritania avy amin'ny fijerin'ny artista portiogey iray

Miaina ao Nouakchott, Maoritania, izay hanaovany hosodoko sy hamelomany toeram-pampirantiana zavakanto iray ny artista Portiogey Isabel Fiadeiro. Manao kisoritsoritra tantara an-tsary avy amin'ny zavatra hitany ihany koa i Fiadeiro, mameno ny bilaoginy amin'ny sarin'ny fiainana andavanandro ao amin'ity firenena Afrikana Andrefana ity. Nifampiresaka taminy ny Global Voices...