Tantara mikasika ny Maoritania tamin'ny Oktobra, 2018
Mitantara momba ny fanonganam-panjakana androany ny Maoritaniana (2005)
Ny bilaogin'ny Antoko Maoritanina ho an'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana - Antoko Maitso) dia mankalaza ny fanonganam-panjakana nihatra tamin'ny filoha Maoritaniana Ould Sid Ahmed Taya, ary manolotra lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Fihetsiketseham-pifaliana eny an-dalamben'i Nouakchott").
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.