· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Maoritania tamin'ny Septambra, 2018

Maoritania: Fanonganam-panjakana

  12 Septambra 2018

Tokony ho tamin'ny 5 ora, ora tao an-toerana (sy GMT), azon'ireo miaramila mpiambina ny filoham-pirenena ny fifehezana ireo tranoben'ny fitantanan-draharaha, ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, ary nobahanany ny fidirana tao amin'ny lapa sy ireo minisitera.

Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna

Manoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ny Firaisankina Maghreb ny blaogera toniziana Big Trap Boy, izay ahitana an'ireo firenena avy ao Afrika Avaratra, sy ireo tombontsoany ho an'ny vahoaka rehetra ao amin'ny faritra. Antsoiny ihany koa ireo blaogera toniziana sy ireo Maraokana, Alzeriana, Maoritaniana ary Libiana mba hanao ny andron'ny 1 jona ho andro fanaovana blaogy hanentanana ny Firaisankina Maghreb, hoy ny tatitr'i Samsoum.

Tonizia: Ireo Fifidianana Ao Maoritania, Ilay Ampinga Lehibe Ary Mohamed Abbou

  03 Septambra 2018

Saika tsy dia noraharahain'ny tontolombolongana Toniziana ny fifidianana filoham-pirenena tao Maoritania. I Nadia de Tunis [teny frantsay] irery ihany no misarika ny saina hankamin'io tranga ara-tantara ao amin'ny firenena io, izy izay mpikambana amin'ny UMA (Union du Maghreb Arabe). Ao anatin'ity lahatsoratra ity, resahan' i Nadia ny fanapahankevitra "mahagaga" nikarakarana an'ireo fifidianana, noraisin'ny miaramila iray izay nanangona ny fahefana tamin-kery tao amin'io faritr'i Afrika io, izay tsy isian'ny tetezamita milamina mihitsy. Manao teny tsy loabody ihany koa amin'ny tranga ao anatin'ny sisan'i Maghreb sy ireo firenena afrikana ity lahatsoratra ity.