Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Mali

Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika

"I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny 'amen' na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy"

Mali : Fifidianana Hamaritra ny Hoavy Amin'ity Taona 2018 ity

Ireny fisarasarahana ireny no tena loza mihantona amin'ny fampiharana ny fifanarahan'i Alger natao tamin'ny taona 2015 ary loza mihantona hoan'ny fandriampahalemana amin'ny ankapobeny.  

Ny Show Global Voices Fahatelo

Indro ny fizaran-tantara fahatelo amin'ny Global Voices Show !

‘Miteraka Olana Iray lehibe Ho Anao Ny Famoronan-kira Miresaka Fanavakavaham-bolonkoditra’

Hira miresaka fanoherana no tena manjàka ao anatin'ny rakikira faramparan'ny tarika Songhoy Blues "Fanoherana." Ny tarika dia avy any Mali ary miresaka olana momba ny fanavakavaham-bolonkoditra sy mandrisika ny olona ho mavitribitrika.

Mitantara Ny Fanentanana Manerantany Tamin'ny Fanampiana An'Itompokolahy Boukary Konaté Tamin'ny Aretiny I Phil Paoletta Ao Bamako

Tao Bamako,  nanao antso ho an'ny fanohanana ara-bola mba hanangonana ny 8.500$ izay hanatontosana ny fitsaboana an'i Boukary Konaté i Phil Paoletta, teratany Amerikanina iray monina any Mali. Nahangona vola maherin'ny 9 600 dolara amerikana izy tao anatin'ny tapa-bolana, izay ampy tsara ho an'ny saran-dalana  Bamako-Tunis-Bamako ho an'ilay marary.

“Nofinofiko Ny Hitondra Ny Aterineto Ho Ao An-Tanànako” Fanomezana Voninahitra Farany An'i Boukary Konaté Avy Amin'ireo Akaiky Azy Sy Namana Mpiaramiasa Taminy

"Izy no vatana hita maso itarafana izay tsara indrindra teto amin'ity tany ity sy ny fahamendrehana maha-olonkendry eny anivon'ny olona rehetra.."

Ny TIC Ho Fampandrosoana Any Afrika Miteny Sy Mampiasa ny Teny Frantsay

Ankehitriny, tsy ilaina ny hanaporofoana hoe mandray anjara amin'ny fanatsaràna ny kalitaon'ny fanabeazana ao Afrika ny fampidirana ny TIC, fa ny famaritana ireo làlana sy fitaovana afaka mampaharitra ny fampiasàna ny TIC any an-tsekoly, any amin'ny sekoly rehera no ilaina.

Akoho Yassa, Alloco na Mafé: Andramo ireo Nahandro Mafilotra Afrikana Araka Ny Hitan'ireo any Ampielezana Ao Paris

Hampahafantatra anareo toeram-pisakafoanana malaza indrindra any Frantsa sy ny sakafo mampiavaka azy ireo izahay. Tsy misy andraso andraso, ireto ny lisitry ny toerana tsara indrindra raha hanandrana ny haify Afrikana:

Ny Orkesitra Aragon, Singa Iray Manandanja Amin'ny Fiarahamiasa Ara-javakanto Amin'i Kioba Sy Afrika

Ny ankamaroan'ny tanora Afrikana tamin'ny taona 50 sy 60 no nahita ny mozika ary nanao ny dingana voalohany tamin'ny dihin'izy ireo niaraka tamin'ny gadona Afro-kiobàna: Cha-Cha-Cha, Pachanga, Charanga, sns. Nanaovan'i Etazonia ankivy, taona vitsivitsy taorian'ny fandresena, nampiasain'ny fitondràna Castro ny mozikany mba hahazoana toerana eo amin'izao tontolo izao.

Ahoana no Fomba Hiarovana ny Fomba Nentin-drazana sy Hampitàna Izany Amin'ireo Tanora Maliàna Amin'ny Alalan'ny Aterineto

"Ny tanjona tratrarinay dia ny hitahiry sy hampiroborobo ireo lovan'ny kolontsaina manankarenan'ny maliàna, ny teny, ny hita maso sy ny tsy hita amin'ny alàlan'ny Teknolojia Vaovaon'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana"