Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Madagasikara

28 Septambra 2018

Madagasikara: Ary rehefa eo am-pelatanan'ny tafika ny fitondrana ?

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanaitra an'i Madagasikara ny vaovao momba ny fikomiana tao amin'ny toby miaramila iray teto Antananarivo  ny 10 Martsa 2009. Niparitaka tany amin'ny toby miaramila hafa ny fikomiana nanomboka tamin'izay ary nametra-pialana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Vice-Amiral Mamy Ranaivoniarivo....

23 Septambra 2018

Angano Mampisaina sy ny GV Malagasy

Ampitiavana no izaranay GV Malagasy aminareo mpamaky, fa manomboka izao dia misy ny fiarahamiasan'ny GV Malagasy sy ny pejy Facebook "Angano Mampisaina". Isaorana manokana i Hasina Samoelinanja

09 Septambra 2018

Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa

Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy monja taorian'ny nahalany an'i Nicolas Sarkozy ho filohan'i Frantsa izay nanao ho laharam-pahamehana ny fandroahana...

31 Aogositra 2018

Madagasikara: Ireo Nofinofin'ny Hoavy Sy Ireo Hevitra Sasany Mikasika Ny Fanampiana Iraisampirenena Ho An'i Afrika

Zava-dehibe ny hanamarihana fa tsy mandeha aminà zotra tokana hatrany ny fanampiana iraisam-pirenena. Misy ireo ohatra amin'ny fanampiana afrikana mankany Eoropa ary na ireo firenena tena matanjaka erantany aza dia mila fanampiana indraindray.

30 Aogositra 2018

Madagasikara: Anglisy teny ofisialy, fanomezam-boninahitra ireo lasibatry ny fifanandrinana ara-panjanahantany sy ny rivodoza

Fenofeno ny vaovao teto Madagasikara tanatin'ny tapabolana faharoan'ny volana marsa 2007: referandaoma fanitsiana ny lalampanorenana nampiditra ny teny anglisy ho teny ofisialy. nanome voninahitra ireo lasibatry ny fitroarana nanoherana ny fanjanahantany tamin'ny taona 1947 izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 80.000 ihany koa i Madagasikara. Farany, rivodoza fahaenina tanatin'ny enimbolana.

19 Aogositra 2018

Madagasikara: Niteraka adihevitra ny tsy fahampian'ny fanentanana avy amin'ny bilaogy teto an-toerana tamin'ny vanim-potoanan'ny krizy 

Efa maro ny nosoratana mikasika ireo andiana loza voajanahary izay namely an'i Madagasikara. Nanasongadina ny krizy iray hafa i Tomavana tany amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Madagasikara  izay tratran'ny mosary.

11 Aogositra 2018

Madagasikara : Fikomiana Tao Antananarivo

May ny radiom-pirenena, may ireo tranombarotra, fandrobàna etsy sy eroa, .... mitantara ny zava-niseho manodidina ny 26 janoary 2009 ireo mpitoraka bilaogy

02 Aogositra 2018

Madagasikara: Mivarotra ny Tena Ho Vadiana, Ny Zavamisy Mangidin'ny Fahantrana

Raha mbola afaka mihinana ara-dalàna ianao isan'andro, dia tsy mahantra. Azo sitranina tsara ny fahantrana satria matetika dia vokatry ny tsy fahampiana fisainana sy hakamoana [...] Ny fanitaran-tsaina sy ny fampitomboana ny fahalalan'ny tena no vahaolana..

Madagasikara : Alin'ny Fandrobàna, Tsy Tao An-drenivohitra Ny Filoha Ravalomanana

Maro ny tsaho momba ny zava-niseho tamin'ny 26 janoary 2009. Mitatitra ny momba izany ny ankamaroan'ireo mpitoraka bilaogy sy ny haba-tranonkala malagasy.

30 Jolay 2018

Madagasikara: Kianin'Ireo Mpitoraka Bilaogy Malagasy Any Frantsa Ilay Politikan'i Sarkozy Momba Ny Fifindràmonina

Ny famoronana minisitera iray misahana ny fifindràmonina sy ny maha-olom-pirenena no fandaharanasa iray izay heverin'ny filoha frantsay vaovao, Nicolas Sarkozy. Tsy maintsy manaiky io hetsika hentitra io ireo mpifindramonina efa ela niainana tao Frantsa. Nampiady hevitra ireo mpitoraka bilaogy malagasy monina any Frantsa izany ....