Tantara mikasika ny Ginea-Bisao

Guinea-Bissau: Taorian'ny Fanonganam-panjakàna,Nosamborina Ary Nodarohan'ny Miaramila Ilay Mpitoraka Blaogy Malaza

Aly Silva dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy malaza indrindra, raha tsy izy mihitsy no malaza indrindra, any amin'ny firenena kely andrefan'Afrika, ahitàna mponina 1 tapitrisa monja (jereo ny tafatafa nataon'ny Global Voices taminy). Olona miteraka adihevitra izy any amin'ilay firenena, satria tsy manafina ny fironany ara-politika. Nefa tsy mbola manam-paharoa izy raha resaka faharetana, fahavitrihana mamoaka lahatsoratra, ary ny fahazotoany manoratra blaogy.

Ginea-Bisao: Nanimba ny Sekoly ilay Oram-be nifanesy

Rising Voices  27 Aogositra 2011

Eo anelanelan'ny volana Jona sy Oktobra no fotoam-pahavaratra any Guinea-Bissau, izay mety hampisy fiantraikany eo amin'ny fiainana andavan'andro amin'io tanàna io. Misy sekoly mampiasa ilay efitrano ho toeram-pivoriana ho an'ny RV grantee Youth Voices of Bandim sy Enterramento izay niharan'ny fahapotehina mavesatra azo tamin'ilay tatitra mahakasika ilay andro ratsy nifanesy.

Global Voices Podcast 1: Iza no inoantsika an-tserasera?

  03 Jolay 2011

Mitenena Manahoana amin'ny podcast-nay vaovao [fandraisam-peo]! Fizarana 1: Miresaka momba ilay fitaka Gay Girl in Damascus; Mihainoa ny feo avy any Ginea-Bisao; ary ny resadreseka tamin'i Firuzeh Shokooh Valle momba ny asany amin'ny maha-tonia mpanitsy amin'ny teny Espaniola azy. [Amin'ny teny anglisy daholo ny fandraisam-peo]

Ginea-Bisao: Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Ankizy Afrikana

Rising Voices  03 Jolay 2011

Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizy Afrikana ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices, "Youth Voices of Bandim and Enterramento" ny 16 Jona tao Bissau tamin'ny fandefasana horonantsary, vaky boky, adihvitra, dihy nentin-drazana izay mifantoka amin'ny zon'ny ankizy avokoa.

Fanehoam-pitiavana ny teny Portigey amin'ny endriny isan-karazany

  10 Marsa 2011

Tamin'ny 21 Febroary 21 , nahatsiaro ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenindreny ny Global Voices miteny Portigey miaraka amin'ny fandraisana anjara amin'ny pitsopitsony amin'ny fahasamihafana ara-pitenenana sy ara-kolotsaina. Vakio ny fandinihan'ny tontolon'ny bilaogy eo amin'ny boky tantara voalohany natokana ho an'ny teny Portigey, Milagrário Pessoal - asasoratra vao haingana novokarin'ny mpanoratra Angolezy José Eduardo Agualusa.

Guinée-Bissau : Ahiana hitarika tsy filaminana ny fahafatesan'ny Filoha

  05 Marsa 2009

Nisy namono ny alatsinainy 02 martsa vao mangiran-dratsy ny filoham-pirenena any Guinée-Bissau, Joao Bernardo Vieira, novonoin'ny miaramila mpioko raha iny izy nandositra niala ny trano fonenany iny. Nitranga ity vono olona ity ora vitsy taorian'ny nahafatesan'ny fahavalon'ny filoha hatry ny ela, mpitarika ny etamazaoro, ny jeneraly Batista Tagme, ny alin'ny...

Ginea Bisao: Mihamalaza hatrany ny finday

  23 Oktobra 2008

Jorge Rosmaninho no manoratra ao amin'ny gazety antserasera mpiteny pôrtigey O Patifundio [pt] fa miroborobo fatratra ny finday any Ginea Bisao. “Tsy misy mpampianatra izay tsy mitaraina fa, isaky ny fanombohan'ny lesona, dia mandany folo minitra aloha ny mpianatra miady izay tokony hamahana herinaratra voalohany ny findainy amin'ny prizy (tsaidrianaratra)...

Guinea-Bissau : Tarika Mpilalao An-dapihazo Andrana

Jorge Rosmaninho manolotra fankasitrahana ao amin'ny africanidades ny Tarika Mpilalao An-dapihazo Andrana tamin'ny niforonany sady maniry izay laza iraisam-pirenena hoan'izay vitany any Guinea-Bissau : A Guiné-Bissau é um país sui-generis, pois tem pessoas de valor nas áreas mais inesperadas. O teatro é uma delas. Aqui fica a nossa palavra de incentivo...

Diary iombonana hoan'i Afrika miteny Pôrtogey

  23 Mey 2008

Ny mpanao gazety mpiblaogy Orlando Castro monina any Angôla no manapariaka ao amin'ny Alto Hama ny fivoriana hotanterahin'ireo firenena Afrikana miteny Pôrtogey izay hanomboka amin'ny faha-28 May 2008 any Lisboana, any Pôrtogala : O passado, presente e futuro de África vai estar em Lisboa durante dois dias, durante os trabalhos...