Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Ghana

Ny WSIS Youth Caucus any Ghana

Vao nahavita ny antsafa nifanaovana tamin'i Leopold Armah sy Regina Banini avy ao amin'ny WSIS Youth Caucus any Ghana aho, nifampiresaka momba ny andraikitry ny tanora Afrikana ao amin'ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Fiarahamonin'ny Fampitam-baovao nokarakarain'ny Firenena Mikambana. Manasa anao hihaino ny rakipeo i Andy.

Ghana: Namantampatatra ilay Liberiana nisy namono

Nisy mpaka sary iray nanaparitaka ny sarin'ny lehilahy Liberiana iray nisy namono hita tao ivelan'ny Tobin'ny Mpitsoam-ponenana Buduburam ao Ghana.  Tsy hita ato amin'ny lahatsary ny saripika.

Hetsika manohitra ny Fahantrana ao Ghana: ”Mijoro i Afrika”

Maherin'ny 300.000 ny olona nivangongo tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Accra Ghana ny Sabotsy 3 Septambra 2005 mba hanatrika ilay hazakazaka an-kira naharitra 15 ora, Kaoseritra "Mijoro Manohitra Ny Fahantrana i Afrika", nanasongadinàna ireo mpanakanto Afrikana sangany, olontsotra malaza ao amin'ny fiarahamonina ary mpanentana manohitra ny fahantrana

Ghana: Ny tetikasa fandidiana hoditra

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanamarika tetikasa iray antsoina hoe “Ny Tetikasa Fandidiana Hoditra ao Ghana ” ny My Hearts in Accra. “Ny foibe ao Korle-Bu no foibe voalohany fandidiana hoditra sy famerenana amin'ny laoniny indray ny hoditra any Afrika Andrefana ary manampy ny...

Ghana: Fikarakarana Ara-pitsaboana

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niady hevitra momba ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka avy amin'ny fanjakana sy ny fitsaboana any amin'ny tsy miankina any Ghana ny Trials and Tribulations of a Freshyly Arrrive Denizen . .. Olona maro, anisan'izany ny tenako no nankasitraka ny ezaka atao...

Ny Tohin'ny Dia tany Accra #2

Ny podcast-ko farany avy ao Ghanà manazava ny antony tsy nahitàna ahy tanatin'ny aterineto nanomboka ny tolakandron'ny Zoma lasa teo.

Finday Avo Lenta+Bluetooth: Paradisan'ny Fanoratana Bilaogy Ao Ghana

Tanatin'ny minitra vitsy dia afaka namoaka rakitsary avy amin'ny alalan'ny finday avo lenta sy Bluetooth izahay. Manontany tena aho raha ity no lahatsary anaty bilaogy voalohany indrindra avaty Ghana nalaina tamin'ny finday avo lenta?

Balancing Act ao amin'ny bilaogy Afrikanina

Manomboka amin'ny lahatsoratra momba ny bilaogy Afrikanina ny fanontana ankehitriny ao amin'ny Balancing Act - gazety antserasera malaza momba ny fifandraisan-davitra Afrikanina - ary mampiseho bilaogera maromaro mandray anjara ao amin'ny Global Voices,

Ghana: Nahitana tolo-kevitra mahaliana ny fanitsiana ny lalàmpanorenana

Tamin'ny taona 2008, nandritry ny fifidianana filoham-pirenena, nampanantena an'ireo Ghaneana fa handinika ny lalampanorenan'ny firenena ireo kandidà. Ny fikasan'ireo mpifaninana hampiditra ny Ghaneana ao anatin'ny dingana fandinihana no nahatonga ity fampanantenana ity ho manintona kokoa.

Ny teny manjavozavon'ny 419, miaraka maka sary amin'ny voay sy dadabe noely ao Ouagadougou

Ny teny manjavozavo 419, resaka fisolokiana, bilaogera maka sary miaraka amin'ny voay ary dadabe noely ao Ouagadougou