Tantara mikasika ny Gabòna

Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika

  17 Septambra 2009

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana...

Gabon: Kandidà mampiasa media sosialy amin'ity fifidianana filoham-pirenena manan-tantara ity

  04 Aogositra 2009

Raha eo am-piomanana ny fifidianana voalohany taorian'ny nahafatesan'i Omar Bongo i Gabon dia indro misy kandidà iray miezaka ny mampiditra ny tenany ho ao anatin'ny tantara amin'ny alalan'ny fampiasana ny media sosialy. Nody any Gabon hilatsaka ho fidiana amin'ny maha-kandidà tsy miankina ny mpanao gazety sady talen'ny Institut Edith Stein any Frantsa Atoa Bruno Ben Moubamba. Anisan'ny mpifaninana aminy ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Jean Eyeghe Ndong, sy ny zanakalahin'i Bongo. Miezaka ny mampakatra ny haavon-dalao i Moubamba.

Gabon: Manodidina ny fahafatesan'ny Filoha Omar Bongo

  09 Jona 2009

Ny Alahady alina teo, ireo mpampahalala vaovao Frantsay dia samy nanambàra ny fahafatesan'i Omar Bongo filohan'i Gabon,  izay nandany 41 tamin'ny 73 taona niainany teo amin'ny  fitondràna. Ny gazety Frantsay Le Point nitatitra fa hoe nahazo vaovao momba ny fahafatesany ry zareo, vokatry ny homamiadana, tany aminà toeram-pitsaboana tsy miankina...

Afrika : Fomba fandoavam-bola mampiasa feo any Afrika

  14 Novambra 2007

Ny mpiblaogy Olivier Gabirault dia mitatitra mikasika ny Maâtcard, izay fomba fandoavam-bola vaovao namboarina manokana hanamaivana ny fampiasana azy amin'ireo firenena andalam-pandrosoana toa an'i Afrika : « une carte de paiement acoustique, présentée comme une première mondiale, qui vise en priorité les populations des pays émergents peu dotés en infrastructures bancaires. Baptisée...