Tantara mikasika ny Gabòna

R.D. Kôngô: Resadresaka Niarahana Tamin'ny Bilaogera Tony Katombe

  23 Desambra 2017

Bilaogera avy ao amin'ny R.D. Kôngô i Anthony Mica Katombe (Hafohezina ho Tony) izay ''handray 39 taona amin'ny 13 Aprily''. Manana maripahaizana momba ny teny Anglisy sy ny Fandalinana ny Kolontsaina Afrikana avy aminà Anjerimanontolo Kôngôley izy. Ny marain'ny resakay tamin'ny messenger, voahodidinà lehilahy mitam-basy ny tanàna niaviany tao Kinshasa.

Mitolona Manohitra Ny Heloka Amin'ny Fomba Amam-panao Ny Gaboney

  22 Avrily 2013

Nampivandravandra ny lozan'ny famonoan'olona ara-pomba amam-panao ao Gabon ny fandaharana iray amin'ny fahitalavitra Canal Plus. Anisan'ny finoana mahatonga famonoan'olona ara-omba amam-panao ao Gabon ny fakàna taova aminà olona velona iray mba hahafahan'ny olona iray hanana tanjaka kokoa. Efa nisy fahafatesana nampisaona fianakaviana manontolo izany heloka izany ary mampivarahontsana ny firenena manontolo. Nanomboka tamin'ny volana mey...

Ireo Fototry Ny Olana Ankehitriny Ao Amin'ny Repoblikan'i Centrafrique

  01 Avrily 2013

Raha nanambara fidirany tao Bangui renivohitra ireo ireo mpihoko avy amin'ny Séléka io sabotsy 23/03 io, ary nangataka fivoriana maika ao amin'ny ONU ny governemanta frantsay, ndeha hoezahantsika takarina ny antony ahafahana nilaza fa efa voavinavina ny hampandamoka ny fifanarahana tao Libreville.

Ireo Fitsabahana Ara-tafika Ataon'ny Frantsay Ao Afrika

Nanomboka ny 11 Janoary ny firotsahana ara-tafika ataon'ny frantsay ao Mali, antsoina hoe Opération Serval, taorian'ny fandrosoan'ny vondrona islamista nankao Bamako. Noarahabain'ny ampahany tamin'ny vahoaka tao Mali sy ny mpanaramaso avy any ivelany, nefa miala amin'ny fitsipiky ny tsy fitsabatsabahana any Afrika nofaritan'ny filoha frantsay Hollande ity firotsahana ity.

Frantsa : Fihetseham-po An-tsary ny Valim-Pifidianana Filoham-Pirenena

  06 Mey 2012

Nivoaka ny valim-pifidianana ny filoham-pirenena frantsay 2012, ny fahafolo nandritra ny Repoblika fahadimy ny 6 mey 2012. Tamin'ny fifidianana fiodinana voalohany 22 avrily, nitarika i François Hollande ka teo alohan'i Nicolas Sarkozy tamin'ny ampaham-bato 28,63 % sy 27,18 % tamin'ny vato manankery. Tamin'ny fiodianana faharoa kosa, François Hollande nahazo ny...

Afrika : Valisoa sy Hadisoam-panantenana Amin'ny CAN2012

  29 Janoary 2012

Any Afrika ary hatrany an-toeran-kafa mihitsy, angonin'ny baolina kitra hanodidina ny ekipam-pirenena iray ny olona. Ao anatin'ny fientanentana manodidina ny CAN2012, misy teboka roa mahasarika ny sain'ireo bilaogera. Ny voalohany, dia ny tsy fisian'ireo firenena vaventy mahazatra amin'ny resaka baolina kitra afrikana..