Tantara mikasika ny R.D. Kongo
Akon'i Zimbaboe: Nivadika tsimoramora ho mpanao didijadona ilay nantenaina ho mpanavotra
"Nisandratra i Tsvangirai tsy amin'ny maha-mpamonjy tsara fanahy araka ny nijeren'ny Zimbaboeana azy, fa tahaka ny lasibatra iray hafa tamin'ny areti-mifindra mahatsiravina izay lazaina fa nanakana ny firoboroboana sy ny fivoaran'ny kaontinanta: mpanao didy jadona, tsy refesi-mandidy iray hafa eo am-piofoana.
Feo avy ao Zimbaboe
Manohy ny Kongresim-bahoakany ao Esigodhini, tanàna kely any Matabeleland ny ZANU-PF, ary tsy nahavita nanetsika fanohanana teny ifotony na dia kely aza.
Fitokonana tampoka – Mosary tsy afaka dia handray fifaninanana afrikana no mahamaika
Nanao fihetsiketsehana tampoka tany amin'ireo tanàna lehibe tao Zimbabwe tamin'ny Sabotsy ny firaisan'ny vondrona sivika mpanohitra, ny Antenimieram-pirenen'ny Lalàmpanorenena (NCA amin'ny teny Anglisy). Mitatitra ny This is Zimbabwe, bilaogy nomanin'ny vondrona mpanao fihetsiketsehana Sokwanele / Zvakwana fa olona 18 no nosamborin'ny polisy mahery setran'i Zimbaboe, izay tsy nampoizina tamin'ny fihetsiketsehana.
African music (#6)
Tsy mbalax ny gadona Soukous, sady tsy afro-funk , tsy rumba, tsy Ethio-jazz, tsy Afrobeat [...] tsy Merseybeat ny Metal
Feo Avy Amin'ny Zimbabwe Plus
Nanao antso avo ny amin'ny tokony hampiatoana ny fampiasana ny aterineto ho fanimbazimbana ny fahalalahan'ireo firenena an-dalam-pandrosoana ny filoha Zimbaboeiana, Robert Mugabe.
RDC: Media Tandrefana, Vahiny Mpitsabatsabaka ary Fifidianana
Marobe ireo bilaogera no nalahelo noho ny fitsabahana'ireo vahiny sy ireo firenena manodidina hafa miara-miasa amin'ny tetezamita, izay hitan'izy ireo ho mafy tanana amin'ny fizotran'ny fifidianana.
Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy alakamisy – jona 2005
Satria niteraka tabataba manerantany ny famoretana ataon'ny governemanta ao Zimbaboe antsoina hoe "Operation Restore Order (Hetsika Fametrahana Filaminana)", dia manoritsoritra ny zavatra toy ny "nijery ny endriky ny ratsy" i Sokwanele.
Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić
Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.
Areti-mifindra, Fifandonana Sy Ireo Fotsy Hoditra Mpamonjy: Ny Endrik'i Afrika Nasiana Fanovàna Araka Ny Hollywood
Miresaka ny viriosy mitovitovy amin'ny ébola ny sarimihetsika "Outbreak", nivoaka tany amin'ny trano fijerena sarimihetsika tamin'ny taona 1995. Efa niova ve ny fijerin'i Hollywood an'i Afrika?
Ny Loza Nanjo ireo Kongoley Voaroaka Tany Angolà
Araka ny fanambaràna nataon'ny Kaomisaià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona (OCHA), nanomboka tamin'ny fiantombohan'ny volana oktobra, olona eo amin'ny 330 000 eo ho eo tsy nanana taratasy ara-dalàna tao amin'ny fireneny no noroahan'ny Governemanta Angoley, indrindra indrindra mankany amin'ireo faritanin'i Kasaï afovoany sy Kwango ao amin'ny Repoblika demokratika an'i Kongo