Tantara mikasika ny Angola
Manao fanentanana ny governemanta ao Angôla mba hampiatoana ny fampiasana sterôida hanovàna ny vatana
Nandefa fanentanana iray hiadiana amin'ny fomba fanao iray mitera-doza antsoina hoe "Jarda" ny governemanta ao Angôla. Jarda, fomba fanao iray entina hanovàna faritra eo amin'ny vatana amin'ny alàlan'ny fitsindronana fanafody simika
Fihazana foza: Enjehina ny mpanao kolikoly politika any Angola
Tsy mino ireo Angoley fa hifarana ny kolikoly ao amin'ny fireneny na dia eo aza ireo fandroahana sy fisamborana ireo,
Feo any Angola sy Brezila manohana an'i Paortiogaly amin'ny Euro
Manohana an'i Portiogaly ho mpandresy ny hira noforonin'ilay mpiangaly mozika David Carreira niaraka tamin'ireo Breziliana Ludmilla sy Giulia Be ary ilay Angoley Preto Show.
Naaton'ny fanjakana ao Angola ny fandaharan'ny TV Record
Nanamafy ny Minisiteran'ny Serasera fa nampiato ilay orinasam-pahitalavitra Breziliana izy noho ny antony maha-"tsy teratany" ny tale mpanatanteraka, ary nilaza fa tsy nahazo fankatoavana ara-dalàna ireo mpanao gazety vahiny.
Voaisotra ho tsy heloka intsony ny fiarahan'ny samy lehilahy na samy vehivavy any Angola amin'ny lalàna famaizana vaovao
Nolaniana tamin'ny taona 2019 ny lalàna vaovao saingy tamin'ny volana Novambra 2020 vao nankatoavina ary ny fehezan-dalàna famaizana tamin'ny taona 1886 nandritra ny fanjanahan-tany Portiogey no nosoloin'izany.
Tezitra ny Angoley taorian'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana nandritra ny hetsika ho an'ny fizakàntena
Nilaza ny hetsika mitaky ny fizakantena ho an'ny antsasany atsinanan'i Angola fa nitifitra tsy ankanavaka ireo mpanao fihetsiketsehana nanatrika ny hetsika tao amin'ny tanànakely fitrandrahana tao Cafunfo tamin'ny 30 Janoary ny polisy.
Netflix, nampidita ilay sarimihetsika lavabe angoley voalohany
Ny 'Dias Santana' dia sarimihetsika 80% Angoley ary 20% Afrikàna Tatsimo
Pastora Angoley maromaro nisintaka tamin'ny Eglizin'ny Fanjakan'Andriamanitra Erantany
"Eglizy Erantanin'ny Fanjakan'Andriamanitra nohavaozina ao Angôlà" no anarana toa hipetraka ho an'ilay eglizy vaovao nivoaka avy amin'ny fivakisana
Nanokatra tambajotra hanaraha-maso ny fifidianana filoham-pirenena ireo mpikatroka Angoley
"...Samy mitaraina amin'ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fahatomombanana amin'ny fifidianana avokoa isika rehetra, noho izany dia ilain'ny rehetra ny mihetsika ho toy ny mpanara-maso ny fifidianana ary mba ho mailo hatrany."
Nahintsana tamin'ny Amboaran'i Afrika i Togo taorian'ny fanafihana nahafatesana olona
Nahintsana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny CAN ny ekipam-pirenen'i Togo taorian'ny fanafihana mahafaty olona nihatra tamin'ny valalamanjohy mitondra ny ekipa tany Cabinda, faritra iray ahitana herisetran'ny mpisintaka. Amin'ireo tsikera be dia be mankany amin'ny governemanta angoley, amin'ny manampahefanan'ny Football afrikana, sarotra ny fanontanian'ireo tôgôley.