· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Desambra, 2018

Pakistana: Antompisian'ny Bilaogy

  01 Desambra 2018

Hatramin'ny nisian'ny fiarahamonina… tsia, tsy marina loatra izany. Hatramin'ny nisian'ny fidirana aterineto, mpampiasa aterineto an-tapitrisany no narary nitebiteby mikasika ny tena antompisian'ny bilaogy. Raha ny fijeriko manokana, antony dimy lehibe no mahatonga ny olona hanoratra bilaogy.

Pakistana: Bilaogin'ny Adala

  01 Desambra 2018

Tompokolahy sy Tompokovavy, tongasoa eto amin'ny fehin'ny lahatsoratry ny bilaogy Pakistaney amin'ity herinandro ity. Efa azonareo an-tsaina tsara angamba fa tsy moramora ny manangona ireo lahatsoratra azo antoka (mahaliana) hovakianareo. Voatery mitety vohikala maro feno resaka poakaty izay vao mahatsinjo zavatra iray mahaliana.

Pakistana: Bilaogin'ny Fihetsehana

  01 Desambra 2018

Miala tsiny aho noho ny tsy namoahako lahatsoratra ny herinandro lasa teo fa lany lasantsy talohan'ny nahafahako niditra ny araben'ny aterineto sy nitondra ny fangaronà lahatsoratra Pakistaney farany mahazatra ho anareo ny scooter Vespa nitokisako. Voatery nitady loharano hafa hahazoako ny fatram-baovao iraisam-pirenena ilaiko isanandro aho.