· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Pakistana tamin'ny Novambra, 2018

Pakistana: Karatra mandiso fanantenana

  24 Novambra 2018

Noresahana betsaka ny tantaran'ny tsy fahaizana mitantana ireo fanomezana nangonina ho an'ny fanampiana ireo tra-boina ny tondra-drano tany Pakistana. Tsy izay ihany, fa nampametra-panontaniana ihany koa ny fomba fizarana ireo fanampiana sy ny fampiasana ireo vola tamin'ny tanjona hafa.

Pakistana: Ny fanakanana bilaogy

  22 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Azoko antoka fa efa mahafantatra tsara ny hetsika nataon'ny mpanome tolotra aterineto tao Pakistana tamin'ny fanakanana ny tranokalan'ny blogspot.com ireo mpamaky ny Global Voices. Tsy afaka hamarinina raha ny lojikan'ny hevitra ao ambadik'ity fandraràna ity. Nolazaina fa noho ny...

Pakistana: Valinteny Am-blaogy

  22 Novambra 2018

Nanaitra antsika rehetra ireo vaovao voalohany mikasika ilay horohorontany lehibe izay namley ny soba-kaontinanta fa mbola nahagaga antsika kokoa ny faharavana naterak'izany sy ireo olona 18.000 maty. Mazava ho azy, blaogera Pakistaney maro no namaly ilay vaovao mikasika ity HT nanana tanjaka 7.6 ity

Pakistana: Blog-o-coma

  21 Novambra 2018

Eny ary, nitranga ilay izy. Voakasoky ny kamiao lehiben'ny Hakamoana aho raha ilay teo am-pitaingenana ny Skotera Vespa natokiako teny amin'ny araben'ny aterineto, nitady blaogy marim-pototra ho asongadina ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Pakistana: Blog-o-rama

  21 Novambra 2018

Tsy nanao aroloha, mitaingana scooter Vespa amin'ny hafainganam-pandeha 45km isan'ora, namakivaky ny làlamben'ny aterineto aho halina, nandeha tamin'ny làlana tena mitohana be (tsy vy very ny aina) mba hitondrana aminao ity angona lahatsoratra kely avy amin'ny blaogy Pakistaney vitsivitsy mahaliana ity.

Fanasongadian'ny Blaogy Ny Horohorontany Tao Azia Atsimo

  21 Novambra 2018

Tahaka izay nosoratan'i Neha Viswanathan, ilay mpamoaka ny lahatsoratray mikasika an'i Azia Atsimo omaly, ireo blaogera an'ny Sea Eat izay nampiseho taminao an'ireo vaovao farany mikasika an'ireo niharan-doza, ireo vonjy aina sy ireo fahafahana manao fanampiana mikasika ny Tsunami tamin'ny taona 2004, dia zavatra mitovy tamin'ny blaogy South Asia Quake Help no nataony mikasika ny horohorontany tao Azia Atsimo.

Pakistana: Bilaogin'ny Loza

  16 Novambra 2018

Nanantena ny hampiseho ireo bilaogy amin'izao fotoana mandrakotra fotodresaka samihafa aho, saingy manahy fa noho ny horohorontany goavana tao Pakistana sy ny faharavana naterany (izay tsy nisy na iray tamintsika aza nanam-po ny hamafiny), dia hitondra rakitranà bilaogy Pakistaney mifantoka indrindra amin'ilay horohorontany indray aho hovakianareo.