Tantara mikasika ny Pakistana
Pakistan: Fangatahana fandraràna ilay diabe malaza ataon'ny vehivavy entina manampim-bava ny feminista
Nandrisika ny vehivavy hanao fihetsiketsehana manerana an'i Pakistan mba hanairana ny saina momba ny olan'ny vehivavy ny Diabe Aurat. Tamin'ny taona (2020), nisedra fandrarana noho ny fangatahana fa "manohitra ny Islamo" ity hetsika ity.
HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Tsy nahita ny fandefasana mivantana ny fivoriana Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any amin'ny firenena miisa dimy tamin'ny 7 Aprily ve ianao ? Indro ny famerenana.
MIVANTANA amin'ny 7 Aprily: Krizy ara-pahasalamana iray hafa – mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Miteraka fahafatesan'olona manodidina ny 30,000 isan-taona ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Manasa anao hihaino ireo vehivavy avy any Oganda, Thailandy, Brezila, Pakistan ary Polonina hiresaka momba ny zo ara-pananahana any amin'ny firenena misy azy ireo.
Atolotry ny Diabe Aurat 2021 ny manifesto fikarakarana ara-pahasalamana feminista ao Pakistan
Nitaky ny hampiakaran'ny governemanta ny tetibola ara-pahasalamana ho 5 isan-jaton'ny harinkarena faobe mba hisitrahan'ny vehivavy fikarakarana ara-pitsaboana tsara kokoa ny mpanao diabe rehefa nilaza izy ireo fa nahatonga ny "Valan'aretin'ny Fanjakazakan-dehilahy" ny COVID-19.
Noraràn'ny Pakistan fanindroany ny TikTok
Nobahanana nandritra ny 10 andro ny TikTok tamin'ny Oktobra 2020. Naverina ny fidirana taminy rehefa nanome toky ny manampahefana ny orinasa renin'ny fampiasa ByteDance fa homena vahana ny fanalefahana.
Mpihanika telo no tsy hita popoka nandritra ny ririnina, nanandrana nihanika ny tampon'ny K2 tany Pakistana
Na dia kely aza ny vintana hahatafavoahana velona, dia manantena fahagagana ny fianakavian'ireo telo mpihanika tendrombohitra mbola tsy hita.
Taorian'ny taona maro nanaovana hetsi-panoherana, havadika ho Ivontoerana fiarovana biby ny valan-javaboarin'i Islamabad
Nifarana tsara ny taona 2020, taona niadian'ireo Pakistane hevitra tsy nisy ohatr'izany momba ny fampijaliana biby.
Mihenjana ny fifandraisan'ny Haindò sy ny Miozolomana taorian'ny fandrobana ny tempoly Haindò tao an-tanàndehibe Pakistaney
"Tokony hosamborin'ny governemanta ireo nandrava ny Tempoly sy ny sekoly, tsy misy olona manan-jo hamotika toeram-pivavahana hafa."
Miatrika fanoherana ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany ao Islamabad
Najanona ny fananganana ny tempoly Haindò voalohany tao Islamabad taorian'ny hetsi-panoherana avy amin'ny faritra samihafa, saingy manantena ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanao politika vitsy an'isa fa hatsangana ilay tempoly.
Nahomby ny ‘Diaben'ny Aurat’ nokarakarain'ny vehivavy tany Pakistan na dia teo aza ny fandrahonana
Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, vehivavy, olona niova fananahana, ankizy ary lehilahy an'arivony maro no nandray anjara tamin'ny Diabe Aurat fanao isan-taona tany amin'ireo tanàndehibe Pakistaney samihafa mba hanasongadinana ny zava-tsarotra iainan'ny vehivavy.