· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Mey, 2019

Saina fotsy: Misaona ny Sri Lankey

  03 Mey 2019

Namono olona an-jatony nivavaka tamin'ny Alahadin'ny Paska 21 aprily 2019 tany Sri Lanka ny andiana daroba baomba voaomana. Anisan'ireo toerana enina voadaroka baomba ny fiangonana telo: ny fiangonana St. Anthony ao Kotahena, St. Sebastian ao Katuwapitiya ary ny Fiangonana Ziona ao Batticaloa. Nangonina iray andro taorian'ny fanafihana ny sary sy ny resadresaka.

Ny malaza ao amin'ny bilaogy any Azia Atsimo

  03 Mey 2019

Ao anatin'ny fitsidihana ireo bilaogera Aziatika Atsimo tamin'ity herinandro ity, maro amin'izy ireo no mizara lohahevitra iraisana sy ny resaka fanatanjahantena,  momba ny cricket; sarimihetsika; sakafo; ary mazava ho azy ny politika.

Azia Atsimo: Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy

  02 Mey 2019

Manana rohy mankany amin'ny tafatafan'ny Voice of America tamin'ny Dr. Chanchal Khan, mpanolo-tsaina ao amin'ny Bankin'ny Fampandrosoana Aziatika izay miompana amin'ny olana momba ny fampandrosoana sy ny fampihorohoroana ara-polotika i Imtiaz. Manana lahatsoratra momba ny fihainon-dresaka amin'ny finday momba ny zon'olombelona ao amin'ny bilaoginy i Rezwan.