· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Aogositra, 2018

Firaondraonan'ny bilaogy ao Bangladesh

  19 Aogositra 2018

(Marihina fa tamin'ny 25 Septambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny zava-nitranga manerana izao tontolo izao avy amin'ny bilaogy Bangladeshi : * Fanabeazana: Nanakiana ny rafitry ny fanadinana farany an-tsekoly -S.S.C. (Ambaratonga faha-10) any Bangladesh i Tanvir avy ao amin'ny bilaogy Journal of a Disturbed Mind. Maro ny mpianatra...

Fifidianana Indiana 2009 : Misidina ny kiraro

  16 Aogositra 2018

Tsy nanampo mihitsy i Muntadhar al-Zaidi tamin'ny fotoana nitorahany ilay kiraro ho an'i George Bush hoe ho lasa hiparitaka be manerana ny kaontinanta rehetra io fomba iray nampiasainy hanehoany ny fomba fijeriny io.

Pakistan: Ny Bilaogin'ny fiakaran'ny maripana

  13 Aogositra 2018

Mino aho fa tratry ny sery. Tsia, tsy karazana H1N5 izany fa viriosy H2MKFC (Nihinana Akoho Natono Kentucky be loatra). Tena ilaiko izany noho ny fihinanako sakafo tsy ara-pahasalamana sy tafahoatra eny amoron-dalana. Tsy hamerina intsony!

India: Ny Vehivavy Sy Ireo Fifidianana

  12 Aogositra 2018

(2009) Hanao fifidianana solombavambahoaka ilay demokrasia tena goavana indrindra erantany, India, izay hanomboka afaka herinandro vitsivitsy. Ao anatina firenena iray izay ahitana mponina maihoatra ny iray lavitrisa, ny fifidianana solombavambahoaka dia fotoana iray hanapahana hevitra momba ny hoavin'ireo vondron-tombontsoa marobe, ny an'ireo antoko politika sy ny an'ny vahoaka. Miankina amin'io andro io ny fiainana izay hiainan'izy ireo mandritra ny dimy taona manaraka indray.

India: Nampihitsoka ireo mpandeha tao Kerala ny fiara-dalamby nosakanana

  11 Aogositra 2018

Mampiseho ireo fiara fitaterana irate tao amin'ny gara Angamali ao amin'ny faritany atsimon'i India ao Kerala ny lahatsary manaraka nampidirin'ilay mpisera Youtube peshaku, sempotra izy ireo noho ny karazana fihetsiketsehana manokana izay nampiato ny asany ireo mpiasa. Atsoina hoe Harthal (Hartal) ny zava-nitranga ary nanjary olana hatrany tao Kerala.