· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Avrily, 2018

Ireo Blaogera Ao Amin'ny India Virtoaly

  25 Avrily 2018

Toerana iray samihafa ny India virtoaly, raha oharina amin'ny India tena izy. Mandingana ireo sakana jeografika sy fizika ireo blaogera ary mivondrona, ka ny fanakanana ny blaogy tamin'ity herinandro ity dia nanasongadina an'ity India virtoaly ity, ary dia hafa tokoa anie izany eeee...

Miroso Mankany Amin'ny Firesahana Fandriampahalemana i Nepal

  25 Avrily 2018

(2006)...Taorian'ny fandresen'ny Revolisiona Aprily, sy ny Fanambaràna goavana iray nataon'ny Parlemanta izay nampihena be tokoa ireo fahefan'ny mpanjaka, sy nanoloana ny anaran'ny tafika avy amin'ny Tafiky ny Mpanjaka Ao Nepal ho Tafik'i Nepal, ary koa ny kabary andiany voalohany niarahana tamin'ireo maoïstes, dia marobe ireo olana no tsy mbola voavahan'ny governemantan'ny fiarahamientan'ireo antoko fito . Tsapa ho mihisatra loatra ny fizotrany.

Hindi: Ny Tsy Fifohana Sigara Sy Ny Lavantinà Mpilalao “Cricket”

  24 Avrily 2018

Mitatitra ny vaovao farany avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Hindi i Amit Gupta, isan'izany ny vaovao ratsy mikasika ireo lehilahy mpifoka sigara, ny vaovao tsara ho an'ireo mpankafy "Criket" ao Hyderabad, ary ny vaovao mamelom-panantenana mikasika ny famerana ny fiparitahan'ny SIDA.

Anatin'ny Mason'ny Tafiodrivotra: Miteny Ireo Bilaogera Ao Bangladesh

  23 Avrily 2018

Namoaka ny fihetseham-pony manoloana ilay rivodoza Sidr, izay nandravarava ireo morontsiraka atsimon'i Bangladesh, ireo bilaogeran'ny Nari Jibon. Vakio ny tantaran-dry zareo momba io loza io, ny faharetany ary ny ezaka fanarenana nataony. Vakio ihany koa ny fiofanana farany nataon'izy ireo momba ny Lahatsary sy ny kamerà dizitaly.

Pakistana: Veloma Musharraf!

  20 Avrily 2018

Ny rikoriko sy ny tsy fitiavana an'i Mushrraf ary izay momba azy akaiky ihany koa no tena navoakan'ny voka-pifidianana.....Ho hitan'ny vahoaka avy eo fa tsy izany mihitsy ilay demokrasian'izy ireo izay mety hoe ahitana "fikambanan-kery" marefo sy feno ady mandrakariva, ary hoe mbola voavidy vola toy ny tamin'ny voalohany foana ireo mpitarika azy ireo

Arabeyes: Alahelo An'i Bhutto

2007 - Tamim-pihetseham-po no nandraisan'ny tao Afovoany Atsinanana ny vaovao momba ny fahafatesan'ny Praiminisitra Benazir Bhutto. Tamim-pitandremana, fahatairana, fahatezerana ary fanekena ny tsy fisian'ny fanantenana ho an'ny taranak'olombelona no nanehoan'ireo bilaogera ny heviny.

Tondradrano Tao Mumbai

  18 Avrily 2018

Niaina orana mikija (156mm tanatin'ny 24 ora) i Dhaka tamin'ny voalohan'ity volana ity. Nandrakotra ny ampahefan'ilay tanàna ny ora-nikija ka nampitsahatra ny fiainan'ny olompirenena 10 tapitrisa. Saingy tsy misy manakaiky ilay niainan'i Mumbai tanatin'izay roa andro izay, miaraka amin'ny orana tsy tapaka voarakitra ho 896mm tanatin'ny 24 ora.