Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Febroary, 2018

Skypecast: Bilaogera Indiana Dina Mehta

Faly izahay mandefa ny Skypecast Global Voices miaraka amin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny mpandinika ny kolontsain'ny vondrom-poko sady bilaogera Dina Mehta, tao Mumbai India.

Nanomboka Tambajotra Ho Fiarovana an-Tserasera Ho An'ny Mpanao Gazety ny (DRF) Fikambanana Momba ny Zo Nomerika ao Pakistàna.

Ny tambajotra izay tena ahitana sotasota indrindra dia hita hoe ny Facebook ka ny fitarainana dia momba ny kaonty fako, ny fampiasana ireo vaovao amin'ny tsy tokony ho izy, ny imailaka mainty, ireo hafatra tsy iriana sy ireo kaonty na fitaovana voajirika.

Ny Fiandrasana Ny Fanakonà-Masoandro Tany India

Ho an'ny Haindò, tsy tranga fotsiny amin'ny astronomia ihany ny fanakona-masoandro fa tena misy dikany lehibe ihany koa amin'ny fivavahana sy ny finoana ara-kolontsaina izany.

Trandraho Ireo Lahatsary Vaovao Ao Amin'ny Rising Voices

Efa nampiofana mpandray anjara tamin'ireo vondrom-piarahamonina tsy voasolotena araka ny tokony ho izy mikasika ny fomba fampiasàna fitaovam-pampitam-baovaon'olon-tsotra mandritra ny fito volana ny fihodinana voalohany amin'ny tetikasa Rising Voices.

#NyRarinyHoan'IAsifa: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Tovovavy Iray Ny Mponina Tao Jammu Sy Kashmir Saingy Tsy Toy Izany Kosa Ny Fampitam-baovao Nasionaly

Saingy tamin'ity tranga iray ity dia tsy nahitana teny firy ny firenena raha avy any amin'ny faritra lavitra any Jammu sy Kashmir ilay niharam-boina sady avy amin'ny vondrom-piarahamonina vitsy an'isa.