· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Jona, 2017

Firenena Latsaka An-katerena Ao Pakistan

  19 Jona 2017

Vao maraina be androany, nanambara ny Filoha Musharaff ao Pakistan fa latsaka an-katerena ny firenena ka niezaka ahafantatra izay fampandrosoana ara-politika farany ao Pakistan ireo bilaogera.

Podcast: Fampahafantarana Ny Tetikasa Nari Jibon

  15 Jona 2017

Natsangan'ilay Mpampianatra Sosiolojia Kathryn Ward tamin'ny taona 2005 ny Nari Jibon ao Dhaka. Manome fampianarana famakian-teny sy fianarak'asa ho an'ny tanora vehivavy Bangladeshita ny tetikasa, amin'izay afaka mampahery ny tenan'izy ireo sy mahita asa eo amin'ny sehatra hafa ankoatra ny mpiasa an-trano sy ny orinasan'ny akanjo izy ireo .

Tetikasa Pedicab: Posiposy Amin'ny Endriny Vaovao Ao Nepal

  14 Jona 2017

Manome tolotra fitaterana lehibe ho an'ny ankamaroan'ny Azia Atsimo ny Pedicab (fantatra amin'ny hoe posibisikileta. Ny indostrian'ny famokarana sy ny fitantanana posiposy dia asa sy fidiram-bola lehibe ihany koa ho an'ireo tena mahantra indrindra eo amin'ireo mahatra.

Pakistana: Avelao Hanidina Ireo Papango

  11 Jona 2017

Noraràn'ny Fitsaràna iray tao Lahore ny fampanidinana papango ao amin'ny faritanin'i Punjab (Pakistana) tamin'ny 2005, fa hoe lalao mampidi-doza, ary nanaisotra ny haravoan'ny maro manoloana ireo lanonan'ny Basant. Tsapan'ireo mpitoraka bilaogy sasany fa ny fametrahana fepetra sy fampanarahan-dalàna entitra no tokony atao fa tsy ny fandraràna mba hanenana ireo loza.