Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Jona, 2016
Nandresy ny Hafanana Tsy Mila Ny Herinaratra Ny ‘Eco-Cooler’ Ao Bangladesh
Nisy orinasa ara-tsosialy vaovao iray nahita hevitra tsotra mba hanomezana vahaolana mora vidy ho an'ny olan'ny hafanana amin'ny andro fahavaratra amin'ireo toerana tsy misy herinaratra.
Ifantohana Indray Ny Fankahalana Afrikana Ao India Taorian'ny Daroka Nahafatesana Lehilahy Kongoley Iray
Lazao izany fa "tia anao i India," amin'ny silamo, Dalits, Afrikana, laika ... dia mandehana miverina mandaka azy ireo amin'ny tavany?
Posiposy Maroloko Voizin'olona No Mifehy Ny Araben'i Dhaka Renivohitr'i Bangladesh
"...ankoatry ny feon'ny anjomaran'ny fiara, ny feo miverimberina dia ny lakolosy kelin'ireo bisikilety ary ireo posiposy kadraoka tsy misy na inona inona, mikarantsana eny amin'ireo làlana mikintaontaona."
Fanalàna Baràka Noho Ny Toe-batana Tao Amin'ny Parlemantan'i Pakistana: ‘Misia Mampikombona Ny Vavan'io Traktera Tarihina ìo’
"Ny malemy indrindra amin'ny malemy; ireo tsy mahalala ny dikan'ny hoe nandalo fianarana sy faharanitantsaina...ireo matetika no manao fanompàna sy fiteny manafintohina."
Mihetsika Hiady Amin'ny Fifindramonina Tsy Ara-Dalàna Avy Any Bangladesh i India, Nanidy Ny Sisintany ao Assam
Milaza i India fa te-hanidy ny sisintany ifanolorana amin'i Bangladesh ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanana ao Assam. Nilaza ny BJP fa ilaina izao fepetra izao hiadiana amin'ny ffindramonina tsy ara-dalàna avy any Bangladesh.
Hanaovana Topimaso Mahafinaritra An'i Nepal-n'ny Taonjato Faha 20, Jereo Ny ‘Nepal in Pix’ (Nepal An-tsary) Ao Amin'ny Twitter
Fanadinan'ireo mpianatra ny taona 1970, rongony ara-dalàna ny taona 1960, ary fihazàn'ny mpanjaka ary ireo mpitondra nisy teo amin'ny manodidina ny taonjato faha 20, samy miseho ao amin'ireo sarin'ny Nepal in Pix daholo.
Ilay Vehivavy Miantafika Irery Miady Amin'ny Aretina Thalassemia Ao Pakistàna
"Amin'ny maha-olona tratry ny endrika thalassemia henjana ahy dia fantatro ny fivadihan'ny fiainana ho mafy amin'izay fotoana izay. Fikarakaràna ny rà, ny fandoavana vola amin'ireo fitiliana maro samihafa, taratra X, scans & avy eo mandoa vola be amin'ny fanafody 'chélation fer'."
Toa Maneho Hoavy Mamirapiratra Ho An'ireo Biby Marefo Ny Famindràm-ponenana Vao Haingana Ny Rhino Tany Nepal
Manana ny antony hitsikiana ireo mpiaro ny tontolo iainana manerana izao tontolo izao -- niteraka zanany kely salama tsara ny tokantandroka iray nafindra toerana avy any amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Chitwan ho any amin'ny Valan-javaboaharim-pirenena ao Bardiya any Nepal, volana vitsy lasa izay.
Rehefa Tsy Mahita Asa Ireo Mpifindramonina Ao Espaina, Mihazakazaka Mivarotra Labiera Eny Amoron-dalana Ny sasany
"Tsy tiako ny mivarotra labiera,, saingy mila vola ho alefa [ho an'ny fianakaviako] aho."
#PanamaPapers Milaza Ny Tantara Mahazatra Momba Ireo Sangany Ara-politika Ao Pakistan
Iray amin'ireo vaovao tafaporitsaka teo amin'ny tantaran'ny asa fanaovan-gazety ny filazana ny haremben'ny fianakavian'ny Praiminisitr'i Pakistan Nawaz Sharif, ankoatra ireo mpitarika hafa manerantany.