Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Jona, 2013
“Mibodo Tany” Any Afrika Ve Ny Orinasa Indiana ?
Mbola adihevitra mitohy ny hoe fandrisihina ny fampandrosoana, sa fibodoana tany tsotra izao ny fividianana na fanofàn'ireo orinasa sy governemanta avy any ivelany tany any Afrika. Nandray anjara tamin'ny resaka Q&A (Fanontaniana&Valiny) tao amin'ny Facebook momba ny "fibodoana tany" any Afrika i Aman Sethi solontenan'ny The Hindu any Addis Abeba.