Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Janoary, 2013
Mampisara-Kevitra an'i Bollywood ny Tononkiran'i Honey Singh
Nofoanana ny fampisehoana taombaovao saika ataon'ilay mpiangaly rap Indiana Punjabii antsoina hoe Honey Singh taorian'ny fitakiana antserasera nivezivezy tao amin'ny fifampitam-baovao sosialy. Teraka tao anatin'ilay raharaha fanolanana tao Delhi ny fitakiana antserasera...
Olo-Pirenena Nepaley Nosamborina tany Angletera fa Voampanga ho Nanao Heloka Bevava Nandritra Ny Ady
Nampiasa ny 'fahafaha-mitsara raharaha iraisampirenena' ny polisy britanika hisamborana kolonely tamin’ny tafika Nepaley monina any amin’ny tanànan’i Sussex atsinanana any Angletera. Voampanga ho nanao fampijaliana [gadra] nandritra ny gidragidra tany Nepal ady an-trano naharitra folo taona (1996-2006) ity lehilahy Nepaley ity.
Matin'ny Tifitry ny Drones Amerikana ny Mpitarika ny Taliban Maulvi Nazir
Voatifitry ny drone amerikana ny mpitarika ny antoko mitam-piadiana Taliban antsoina hoe Maulvi Nazir. Niteraka ahiahy teo amin'ny Pakistaney ny fomba handraisan'ny olom-pirenena sy ny miaramila ao Pakistan rehefa mandre izany vaovao izany.
Bangladesh: Ankizivavy Vazimba Teratany Iray Hafa Indray Voaolana Sy Novonoina
Nisy indray ankizivavy vazimba teratany iray novonoina rehefa avy naolana tamin'ny fomba mahatsiravina tany Bangladesh. Ilay tra-doza, Khomaching Marma (14 taona) dia mpianatra amin'ny kilasy taona faha-8. Ity fanolanana sy famonoana feno habibiana ity dia nanaparitaka indray ny hatezerana sy ny haromontana nanerana ny firenena. Nanao hetsi-panoherana koa ireo mpisera anaty aterineto.