Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Aogositra, 2010
Pakistan: Fisaonana ireo namoy ny ainy tamin'ilay fianjerana fiaramanidina
Tamin'ny marainan'ny 28 Jolay teo, nianjera tany amin'ny vohitr'i Margalla tany Islamabad ny fiaramanidina Airblue flight ED 202 avy any Karachi. Tsy n,isy na iray aza avotra tamin'ireo mpandeha 152. Miresaka mikasika izany ireo mpitoraka blaogy ary mametram-panontaniana mikasika ny fandrindrana sy ny fitateran'ny media coverage mikasika ity loza ity.
Inde: Maty nisy namono ilay mafana fon'ny RTI
Tamin'ny faha-20n'ity volana ity , maty novonoin'ny lehilahy roa mitam-basy tsy fanta-piaviana manohitra ny Fitsarana Avo Gujarat any Ahmedabad , any Inde, i Amit Jethwa ilay manampahaizana manokana momba ny tontolo iainana sady mpanao fihetsiketsehana miaro ny Zo hahazo vaovao (RTI). Manao hetsika arahin'ny hasosorana sy hatezerana ireo mponina amin'ny aterineto .