Tantara mikasika ny Azia Atsimo
Miha-mitombo ireo fanamby atrehan'ny vondrom-piarahamonin'ireo “transgenre” (nanova fananahana), talohan'ny fifidianana tao Pakistàna
Tamin'ny May 2023, nofoanan'ny Fitsaràna Federalin'ny Charia ao Pakistàna ny andalana telo momba ireo olona nanova fananahana, nitarika fampiatoana ny fanoratana ny maripamantarana an-dry zareo ireny sy namepetra ny zon-dry zareo manoloana ny fifidianana
Miara-monina ny fianakaviana miara-mamboly any Nepal
Notendren’ny Firenena Mikambana ho “ Taompolom-pambolen’ny Fianakaviana” ny taona 2019–2028. Mirona mankany amin’ny fambolena lovainjafy ny tokantrano Nepaley sasany mba hiatrehana ny fiovaovan'ny toetr'andro sy hampitomboana ny fidiram-bola.
Chai? Tea? Ahoana no fisotroan-dry zareo Indiàna ny dite-ny?
India no iray amin'ireo firenena tena mpamokatra be indrindra ny dite eto amin'izao tontolo izao, ary jifainay ny ampahany betsaka amin'ny vokatray
Bangladesh : lehilahy iray manavotra fiteny tsy misy afa-tsy olona enina sisa no mampiasa azy.
Amin'izao fotoana izao, olona enina sisa, izay efa samy 60 taona daholo, no miteny tsy miambakavaka ny fitenim-poko Rengmitca. Raha maty izy ireo, hanjavona ao Bangladesh ny **ilay fiteny sy ny kolontsainy
Nitambatambatra ho fanilikilihana ireo lalàna fanitsiana ny zom-pirenena ao India
Nipoaka nanerana ny firenena ny hetsi-panoherana tsindraindray taorian'ny nampiharan'ny governemanta Indiana ny Lalàna Fanitsiana ny maha-olom-pirenena 2019, herinandro vitsy monja talohan'ny fifidianana ankapobeny ho avy any India.
Famahana ny olana ateraky ny ahidratsin-drano ao Nepal
Mora mameno izay itoerany ao amin'ny faridranon'i Nepal ny "tsikafon-dava", karazam-boahirana Amazoniana ka manempotra sy zavamaniry zanatany sady manakana ny hanina ilaina amin'ny fiainana an-drano. Misy koperativam-panao asa-tanana Nepali iray nahita izay mahasoa amin'ilay zavamaniry mba hanaovana ny tsiraka ao aminy ho fanaka an-trano.
Diaben'ny vehivavy ho an'i Palestina sy manohitra ny fanjakazakan-dray ao Pakistan
Nivondrona tamin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy ny vehivavy ao amin'ireo tanàndehibe ao Pakistan, toa an'i Islamabad, Lahore, Karachi, ary Multan, nitaky ny fitovian-jo ho an'ny lahy sy ny vavy, ny rariny ary ny fiarovana, nanohitra ny fitsipiky ny fanjakazakan-dray nandritra ny fito taona nisesy.
Ny tolon'ny Pattharkattas, mpiasa tsy hitan'ny olona ao Nepal
Ankehitriny, tombanana ho 3.343 ny Pattharkattas monina ao Nepal mitolona amin'ny asa tsy misy hoavy tsy ahafahana hivoatra mba hanohanana ny fivelomany. Tandindonin-doza ny maha-izy azy ireo sy ny asan'izy ireo
Mahasoa ny Vazimba teratany ve ireo valan-javaboaharim-pirenena sy ireo lalàna mikasika ny fiarovana ny biby any Nepal ?
Nahita fahombiazana marobe teo amin'ny lafiny fiarovana ny bibidia i Nepal. Na izany aza, niaritra andiana fanitsakitsahana zon'olombelona ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany any Nepal noho ireo politikam-piarovana mampahory.
Tianao ho fantarina bebe kokoa ve ny momba an'i Nepal? Tsidiho ny pejy Ask me about Nepal
Niantsafa tamin'ilay mpanoratra Nepaley sady mpaka sary Nikki Thapa ny Global Voices momba ny hetsika ataony "Ask me about Nepal" izay vavahadin-tserasera tokana, mikendry ny hamaly ny fanontaniana rehetra momba an'i Nepal.