Tantara mikasika ny Nepal tamin'ny Avrily, 2019
Azia Atsimo: Tsy fananana Asa, Fikambanan-drelijiozy, Valala, Mpangataka Mpanefoefo Ary Fandriana Fanampiny An'ireo Blaogera
Azia Atsimo, faritra iray amin'ireo mahantra indrindra erantany. Tsy fananana asa no iray amin'ireo olana goavana ho an'ireo firenena rehetra ao amin'ny faritra. Manoratra ampahany iray mikasika ny asa ao Azia Atsimo ny South Asia Biz. Dinihany ireo vavahadin-tserasera momba ny asaan-tambajotra any Nepal, India, Bangladesh, Pakistana, ary Sri Lanka.
Nepal: Mirehitra i Madhesh
Efa taonjato maro ireo Madhesi no natao anjorom-bala. Ao anaty fitroarana izy ireo ankehitrin, izay tsapa ho toy ny ampahany faharoa eto amin'izao tontolo izao manetsika ny Revolisiônan'y Aprily [...] Raha ampahany ao anatin'i Nepal i Madhesh, dia nahoana ireo Madheshis no tsy omena vintana ho afaka hanao raharaha miaramila?
‘Nofy Tsy Mifanaraka: Politikan'ny Tanàna': Manaitra Momba ireo Olana Sosialy Ao Nepal Ny Kanto
Nandritra ny an-jato taona maro, ny fitantaràna mahazatra an'i Nepal dia nanavaka an'ireo tantara sy ireo zavatra niainan'ireo vondrom-piarahamonina marobe natao ankilabao, niangaran'ny vintana ary indizeny. Sarihan'ireny fampirantiana ireny ny saina ho amin'ireo an-tanan-tohatra ara-tsosialy fototr'olana sy ireo dindo iraisam-pirenena manjakazaka.