Tantara mikasika ny Nepal tamin'ny Aogositra, 2018
Nepal: Rakotr'i Moriarty i Prachanda
Moriarty, masoivoho amerikàna, nanao kabary iray manandanja nampitandrina ireo antoko politika mba hijery tsara rehefa miresaka amin'ireo Maoista.
Nepal: Vola Ilaina Ho anà Fihetsiketsehana
Miresaka ny filàna ho an'ireo zanaka ampielezan'i Nepal ny Democracy For Nepal, DFN, mba hahazoana vola ho an'ny hetsika ho an'ny demokrasia ao Nepal: tsy ampy ny fanohanana ara-moraly fotsiny
Nepal: Ny Fitokonan'ireo Madheshi, Ny Governemanta Vonjimaika
Ny olan'ireo Madheshi - olona mivelona ao amin'ireo lemaka meridionaly an'i Nepal - dia mbola vaovao malaza hatrany. Ny fivoriana mikasika ireo Zon'ny Mponina ao Madhesh, izay anton'ny fihetsiketsehana goavana tao atsimon'i Terai mitaky an'ireo tombontsoa mitovy sy ny tsy fanilikilihana, dia namerina indray koa ireo fitokonana.
Nepal : Hetsipanoherana bobaka be
Tsy manam-pitsaharana mihitsy ilay firenena ao Himalaya, raha ny fijery azy. Lavabe ny lisitr'ireo fijaliana iainan'i Nepal isanandro. Taorian'ilay fifamaliana momba ny toerana masina ao Pashupatinath, ny ezaka ho fandraisana miaramila ho ao amin'ny tafika nepaley sy ny tsy fisian'ny fahalinan'ireo mpitondra mba handrafitra lalam-panorenana vaovao, ankehitriny tratry ny onjanà hetsipanoherana mahery setra ilay firenena. Tsy lazaina intsony ny fahatapahan'ny herinaratra maharitra 16 ora isanandro.
Azia Atsimo : Andiana hafanana sy fahatapahan'ny herinaratra
Tsy nampisy orana tao Azia Atsimo mihitsy ny toetrandro maina nandritra izay andro lasa izay, izay ny fiakaran'ny maripàna no vokany mivantana ary mampananosarotra ny fiainan'ny olona an-tapitrisany ny fahatapahana herinaratra noho ny krizy ara-angovo any amin'ny firenena maro.
Nepal : Fanonganam-panjakana tsy nahomby?
''Tamin'ny 2008 no nipaoka ny fifandirana rehefa nanomboka niadian'ny mpanao politika nepaley hevitra ny mikasika ny fampidirana ireo maoïsta mpiady anaty akata taloha [amin'ny teny anglisy toy ireo rohy rehetra voatanisa anatin'ny lahatsoratra], fantatra kokoa toy ny Tafika ho an'ny fanafaham-bahoaka (ALP), ho ao anatin'ny tafika nasionaly. Efa novinaniana fa mety hisy vokany eo amin'ny rafitra sy ny fahamarinantoeran'ny tafika nasionaly ity dingana ity.''