Tantara mikasika ny Nepal tamin'ny Jolay, 2018
Nepal/ Grande-Bretagne : Ireo Ghurkas, tantara lavabe mahakasika ny fanavakavahana
''Efa ho taonjato roa izay no manompo ny mpanjakavavy sy i Angletera ireo Ghurkas, araka ny iantsoana ireo tanora Nepaley mirotsaka ao amin'ny tafika britanika. Tsy dia tena rariny anefa ny nataon'ny fanjakana britanika raha ny resaka fanomezam-boninahitra noho ny firotsahany sy ny sorona nataon'izy ireo.''
Nepal: Fiaingana vaovao miaraka amin'i Madhav Kumar Nepal ?
Taoriana herinandro maro niadiana varotra teo amin'ireo antoko politika nepaley, "voafidy" handray ny andraikitra Praiminisitra ao Nepal i Madhav Kumar Nepal, ilay mpitarika kaominista efa za-draharaha ary sekretera jeneraly taloha tao amin'ny Antoko kaominista nepaley (masksista sy leninista mitambatra ) na PCN (MLU).
Fanapahan-kevitra ara-politika mafonja tao Khatmandu
Ao anatin'ny fihetsiketsehana "hampiova zavatra" hanonganana ny fitondrana tsirefesimandidy ao Nepal ny fifamatoran'ny antoko fito any Nepal, niharan'ny fanoherana tsy mbola nisy toy izany nataon'ireo mpitandro ny filaminana ny programan'ny fihetsiketsehana.
Nepal: Maresaka ny fianihana ny Tendrombohitra Everest
Isaky ny vanim-potoanan'ny fiakarana tendrombohitra dia mahasarika mpihanika tendrombohitra an-jatony manerana izao tontolo izao ny Tendrombohitra Everest. Ny Sherpas no lakilen'ny fahombiazana amin'ny fihaniana kanefa tsy mba mahazo fankasitrahana ireo.