Tantara mikasika ny Maldiva tamin'ny Oktobra, 2018
Maldiva: Fanakatonan'ny Blaogin'ireo Mpanohitra Sy Mpanenjika Silamo
Vohikala marobe nampangaina ho mpanohitra sy mpanenjika silamo no tsy azo idirana intsony ao Maldiva. Nanome baiko ny Tomponandraikitry ny Serasera [Telecommunication Authority of Maldives (TAM)] ny Minisitry ny Raharaha Silamo mba hanakatona ny fidirana amin'ireo vohikala ireo.