Tantara mikasika ny Bangladesh
Nanome fanampiana sy nivavaka i Pakistan amin'ny ady mafy amin'ny COVID-19 atrehin'i India
Nahatonga firaisankina sy fanohanana avy any Pakistan, ilay firenena mpifanila vodirindrina aminy sady fahavalony efa hatry ny ela, ny toe-draharahan'ny COVID-19 mahatsiravina tany India satria nifanatona noho ny valan'aretina ireo firenena ireo.
Lahatsarin'ny ‘Fanaka Kakoli’ nahatonga sary mahatsikaiky tao Bangladesh sy Bengal Andrefana
Nanjary zava-nanaitaitra tao Bangladesh sy Bengali Andrefana any India ny lahatsary dokambarotra iray tsy nandaniana vola firy zarazaraina ety anaty tambajotra sôsialy, andrenesana fehezanteny miverimberina misy teny enina hoe "Mora vidy, tsara kalitao, ny Fanaka Kakoli"
Nipoaka ny hetsi-panoherana tao Bangladesh rehefa maty tany am-ponja ny mpanoratra iray voampangan'ny Lalam-Piarovana Nomerika
Nosamborina noho ny fitsikerany tao amin'ny media sosialy ny setriny amalian'ny governemanta ny areti-mandringana i Ahmed. Voampanga ho "manaratsy endrika ny firenena" sy "miteraka fifandirana, fankahalana ary fisaraham-bazana" izy - fanitsakitsahana voalazan'ny DSA avokoa izany rehetra izany .
Nampiato ny varotra ho an'i Belarosia sy Rosia ny orinasam-pitsikilovana finday Israeliana
Nanambara ny Cellebrite, orinasam-pitsikilovana nomerika Israeliana fantatra amin'ny fanamboarana fitaovana rindrambaiko ampiasaina hanangonana angondrakitra avy amin'ny finday avo lenta, fa hampitsahatra ny varotra amin'ny fanjakana sy amin'ny mpitandro ny filaminana Rosiana sy Belarosia.
Ny fomba nataon'ny vondrona Facebook iray hanampiana amin'ny fanatsaràna ny fitaterana an-dalamby ao Bangladesh
Mampiasa vondrona Facebook ny sasany amin'ireo mpankafy mba hizaràna torohay, hamaliana fangatahana, ary hanomezana sosokevitra momba izay fomba hatao hanatsarana ny tolotra Fitaterana An-Dalamby ao Bangladesh.
Manome voninahitra farany ilay olomangan'ny football arzantinianina Maradona i Bangladesh
Lasa olomanga tao Bangladesh ny Arzantinianina mpilalao football Maradona taorian'ny Mondialy FIFA 1986. Ankehitriny misaona amin'ny fahafatesany ny Bangladeshita.
Indiana mpikatroka mamoaka ny gazetiboky antserasera voalohany amin'ny fiteny Santali
Mpikatroky ny fiteny avy ao amin'ny fanjakana Indiana iray ao Odisha no namoaka gazetiboky antserasera voalohany indrindra amin'ny fiteny Santali.
Voatsikera tamin'ny famariparitana ratsy ny renivohitr'i Bangladesh ny ‘Extraction’ navoakan'ny Netflix
Nahatonga tsikera sy adihevitra maro ny filma malaza navoakan'ny Netflix mitondra ny lohateny hoe “Extraction” noho ny famariparitana tsy araka ny tokony ho izy an'i Bangladesh sy ny Bangladeshita.
Bangladesh, Pakistàna ary Amazonia, ventesin'ireo vehivavy indizeny ilay hira “Misy mpanolana eo amin'ny làlanao”
Mbola mitohy misy fiantraikany manerana izao tontolo izao ilay hetsika tselatra nataon'ny fikambanana shiliàna "Las Tesis", miampanga ireo herisetra manavakavaka vehivavy sy ny fanararaotana ara-nofo.
Afaka mianatra anaty sekoly an-tsambo ireo vondrom-piarahamonina dibo-drano any Bangladesh
Manolotra ny fanabeazana fototra tena ilain'ny ankizy Bangladeshta izay tsy afaka mianatra mandritra ny vanim-potoanan'ny rivotra sy ny orana ny sekoly an-tsambo.