Tantara mikasika ny Bangladesh tamin'ny Mey, 2019
Lahatsoratra Facebook miteraka fisamborana any Bangladesh, mampiahiahy ny mpiserasera
Olona roa no voasambotra tamin'ny 14 sy 15 Mey noho ny fanehoan-kevitra nalefa tao amin'ny Facebook. Niteraka hatezerana sy ahiahy tao amin'ny fampitam-baovao sosialy ny fisamborana.
Nanavotra olona an'arivony ny fiomanana rehefa namely ny morontsiraka atsinanan'i India ny rivodoza Fani
Ain'olona maro no voavonjy tamin'ny faharavana vokatry ny rivodoza mahery vaika Fani noho ny famindran-toerana efa voahomana nataon'ny fitondram-panjakana tao an-toerana niaraka tamin'ny fanohanan'ny mpialatsaka an-tsitrapo an'arivony.
Azia atsimo: Mihaino bilaogy
Azia atsimo, mihaino bilaogy
Manomboka ao Dhaka ny fihaonambe SAARC faha-13
Nanomboka ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh ny andro nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy ny fihaonambe faha-13 ho an'ny Fikambanana Fiarahamiasa Ara-paritra ho an'ny firenena fito Aziatika Tatsimo (SAARC) ahitana an'i Bangladesh, Bhutan, India, Maldiva, Nepal, Pakistan ary Sri Lanka.
Ny malaza ao amin'ny bilaogy any Azia Atsimo
Ao anatin'ny fitsidihana ireo bilaogera Aziatika Atsimo tamin'ity herinandro ity, maro amin'izy ireo no mizara lohahevitra iraisana sy ny resaka fanatanjahantena, momba ny cricket; sarimihetsika; sakafo; ary mazava ho azy ny politika.
Azia Atsimo: Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy
Manana rohy mankany amin'ny tafatafan'ny Voice of America tamin'ny Dr. Chanchal Khan, mpanolo-tsaina ao amin'ny Bankin'ny Fampandrosoana Aziatika izay miompana amin'ny olana momba ny fampandrosoana sy ny fampihorohoroana ara-polotika i Imtiaz. Manana lahatsoratra momba ny fihainon-dresaka amin'ny finday momba ny zon'olombelona ao amin'ny bilaoginy i Rezwan.