· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Bangladesh tamin'ny Avrily, 2018

Nari Jibon: Ireo Vehivavy Blaogera sy ny Olan'ny Fanomezana Vodiondry Ao Bangladesh

  27 Avrily 2018

Tamin'ity herinandro ity dia nijery ireo lahatsoratra mahaliana avy tao amin'ny vehivavy mpitoraka blaogy ao amin'ny Nari Jibon izahay. Niresaka mikasika ny fandrahonana amin'ny vodiondrim-panambadiana izy ireo, izay manasarotra ny fiainan'ireo fianakaviana mahantra, amin'ny fanerena ny ray aman-dreny hihevitra ireo zanaka vaviny ho toy ny enta-mavesatra. Ary koa, ny nofinofin'ny mpandray anjara iray tao amin'ny NJ ny ho lasa filoha sy hanova ny fiarahamonina ankehitriny ho mazava kokoa, hanam-pahaizana ary tsy hisy vodiondry haneren'ny fiarahamonina.

Rising Voices Any Sierra Leone Sy Bangladesh

  26 Avrily 2018

Tamin'ity herinandro ity, dia nasongadinay ny fivoaran'ny roa amin'ireo tohanan'ny Rising Voices any Azia sy Afrika. Mpianatra asa ao amin'ny Think Build Change Salone any Siera Leone no manomboka manoratra ireo traikefany raha toa ka mifantoka amin'ny fanampiana lahatsary sy sary ao amin'ny kitapon'ny fahaizamanaony kosa ireo vehivavy ao amin'ny Nari Jibon.

Anatin'ny Mason'ny Tafiodrivotra: Miteny Ireo Bilaogera Ao Bangladesh

  23 Avrily 2018

Namoaka ny fihetseham-pony manoloana ilay rivodoza Sidr, izay nandravarava ireo morontsiraka atsimon'i Bangladesh, ireo bilaogeran'ny Nari Jibon. Vakio ny tantaran-dry zareo momba io loza io, ny faharetany ary ny ezaka fanarenana nataony. Vakio ihany koa ny fiofanana farany nataon'izy ireo momba ny Lahatsary sy ny kamerà dizitaly.

Tondradrano Tao Mumbai

  18 Avrily 2018

Niaina orana mikija (156mm tanatin'ny 24 ora) i Dhaka tamin'ny voalohan'ity volana ity. Nandrakotra ny ampahefan'ilay tanàna ny ora-nikija ka nampitsahatra ny fiainan'ny olompirenena 10 tapitrisa. Saingy tsy misy manakaiky ilay niainan'i Mumbai tanatin'izay roa andro izay, miaraka amin'ny orana tsy tapaka voarakitra ho 896mm tanatin'ny 24 ora.

Manoratra Bilaogy momba ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA

  16 Avrily 2018

Nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA tamin'ny fitenenana ampahibemaso sy mafy mikasika ny VIH SIDA ireo bilaogera manerana izao tontolo izao ny voalohan’ny volana Desambra. Fanomezam-boninahitra ny ady amin'ilay valanaretina, izay mihamatanjaka noho ny fahanginana sy ny fampahalalàna diso, ny lahatsoratra rehetra navoaka tamin’izany.

Pakistana: Mirongatra ny fanararaotana ankizy

  16 Avrily 2018

Mahasahana heloka bevava isankarazany atao amin'ireo zaza tsy ampy taona ny teny hoe 'fanararaotana ankizy'. Resahan'ny bilaogera eto ny firongatry ny tranga fanararaotana ankizy mampiahiahy any Pakistana.