Tantara mikasika ny Oseania tamin'ny Jona, 2018
Inona no novakian'ireo mpamaky ny Global Voices nandritra ny herinandron'ny 18 – 24 Jiona 2018?
Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 201 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices
Nankalazaina Ho Toy Ny Fandresen'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ny Fanafahana Madiodio Ny Fiji Times Tamin'ilay Fiampangana Azy Ho Mpikomy Tao Oseania
"Miharihary izao fa mbola manohy ny fiampangany ny olona ho mpanakorontana ihany ny fanjakana ao Fiji mba hanafoanana ny fahalalahana haneho hevitra sy ny fanoherana ara-politika.
Tantara nomerika mitantara ny herisetra nihatra tamin'ny Shinoa nandritra ny fitroarana tamin'ny taona 1998 tao Indonezia
20 taona lasa izay, zara raha fantatra ny taona 1998. Misy zavatra maro tokony hatao amin'ny fanasitranana, mba hahazoana karazana rariny. Tsy miresaka momba ny fanasitranana amin'ny ambaratongan'ny tsirairay manokana ihany aho, fa amin'ny maha-firenena mihitsy.
Na mandràra ny Facebook na tsia i Papouasie-Nouvelle-Guinée, milaza ireo mpitsikera fa mbola voarahona ny fahalalaham-pitenenana
"Raha matotra amin'ny fiarovana ny olom-pireneny amin'ny aterineto ny governemanta, dia ny fametrahana tontolo izay ahafahan'izy ireo mampiasa aterineto no tokony ho tanjona, fa tsy ny fanakatonana ny ampahany amin'izany."
Inona no novakian'ireo mpamaky ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 4 ka hatramin'ny 10 Jiona 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 4-10 Jiona 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena 200 ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Ny laharana faha-2 ao amin'ny lisitra? Brezila. Ary ny laharana faha-40? Mozambika.
Ny Amboarampeo Virtoaly: Teknolojia, fiaraha-miasa ary mozika
Ilay mpamoron-kira Eric Whitacre , rehefa nahita ny lahatsary Youtube nampiseho ny tanora mpihira soprano iray mihira ny hira hoe "Sleep" dia nanontany tena hoe: nahoana moa raha miantso olona na aiza na aiza misy azy ireo eto amin'izao tontolo izao, handrakitra ireo andiany hafa ny amin'ny amboarampeo a capella?
Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 28 mey-03 jona 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 28 May ka hatramin'ny 3 Jona 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 206 ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Ny laharana faha 20 ao amin'ny lisitra ve ? Oman. Ary ny faha 117 ? Togo.