Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Oseania tamin'ny Septambra, 2010

26 Septambra 2010

Aostralia: Adihevitra momba ny fiakanjo Silamo

Nangatahan'ny ben'ny tanàna ny mponina any ambanivohitr' i Melbourne any Aostralia mba hanao akanjo manarona ny vatany mandritra ny lanonana ao amin'ny dobo filomanosana mba tsy hanohinana ny Silamo. Niteraka adihevitra tamin'ny aterineto izany baiko izany

16 Septambra 2010

Aostralia: manangana ny governemantan'ny vitsy an'isa i Julia Gillard

Tapitra ny lalao fiandrasana fifidianana any Aostralia. Nanangana governemantan'ny Mpiasa vitsy an'isa i Julia Gillard. Indreto misy fanehoan-kevitra sasany amin'ny aterineto.

07 Septambra 2010

Mbola miandry Governemanta Vaovao i Aostralia

Herinandro taorian'ny fifidianana, dia mbola miandry ny fijoroan'ny Governemanta vaovao i Aostralia. Samy tsy nisy nahazo ny ampahan'isa be indrindra amin'ireo seza 150 ao amin'ny Antenimiera avokoa ny antoko tsirairay. Sempotra manombatombana, tsy ny mety ho valim-pifidianana ihany, fa ny antony "nampihantona" ity Antenimiera ity ireo mpitoraka bilaogy.

03 Septambra 2010

Etazonia: Naverina nodinihana indray ny fanambarana mikasika ny zon'ny vazimba

Niverina nandinika indray ny governemanta Amerikana ary mangataka ny fandraisan'anjaran'ny vahoaka mikasika ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny Vahoaka Vazimba taorian'ny nandavany izany tamin'ny taona 2007.