Tantara mikasika ny Etazonia tamin'ny Novambra, 2012
Tontolo Arabo: Inona No Hiova Amin'ny Fahalanian'i Obama Fanindroany?
Lany ho filoham-pirenena amerikanina fanindroany i Barack Obama nefa ahoana ny fandraisan’ireo mpampiasa aterineto any amin’ny tontolo arabo izany? Indro misy pitiny kely tamin’ireo bitsika tao amin’ny Twitter taorian’ny fahalaniany indray. Mizarazara ny fihetseham-po, raha faly noho ny politika ivelan’i Etazonia any an-toerana ny ankabeazany, ny hafa kosa dia faly satria nandresy i Obama.
Vehivavy Afro-breziliana, Ngita Volo Sy Fahatsiarovantena Mainty
“Afaka asarakorako ny volo rehefa handeha hianatra, saingy tsy tiako. Satria lasa maina ary manjary ratsy tarehy be. Ratsy be ny voloko”. Ankizivavy kely no nilaza toy izay tao amin'ny habaka-lahatsary fanadihadiana Raíz Forte [pt:Faka Mafy] mikasika ny vehivavy mainty hoditra Breziliana amin'ny fikarakarany ny volony amin'ny sarangan-taona rehetra. Araka ny...
Teknolojia Iray, Fahalalahana Samihafa: Ny Fomba Ahafahan'ny Lalàna Mikasika Ny Copyright Ao Etazonia Mametra Ny Fampiasàna Ireo Fitaovana Mandehandeha
Raha ny fomba fijerin'ny mpampiasa dia tsy misy fahasamihafana mivaingana eo amin'ny smartphone sy ny tablette.Samy solosaina mandehandeha manana fàfana azo kitihana ireo fitaovana roa ireo, ary raha mety hanana rindrambaiko voatokana ho azy ny smartphone, tsy tafiditra ao anatiny tanteraka ny fahafahana miantso na miditra anatin'ny tambajotranà finday
“Latinitas,” Mampavitrika Ny Tanora Latina Amin'ny Fampiasana Teknolojia
Soa fa tsy nifarana hatreo ny hevitra tsara rehetra noresahana tany an-dakilasy. Tamin'ny taona 2002, nanomboka namorona gazetiboky mifantoka amin'ny traikefa ananan'ny tanora Latina i Laura Donnelly sy Alicia Rascó nianatra tao amin'ny Oniversiten'i Austin, Texas. Taorian'ny fahavitan'ny fianarana, nanohy nametraka fifandraisana matihanina ilaina amin'ny famoronana ilay fantatra amin'ny anarana...
Ny Hevitry Ny Rosiana Manoloana Ny Fahalanian'i Obama Ho Filoham-pirenena Indray
Nifarana ihany ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana, hiatrika fe-potoam-piasana faharoa amin'ny maha-filohan'i Etazonia azy i Barack Obama. Hatramin'ny fampielezan-keviny voalohany tamin'ny taona 2008, ilay profesora demokraty ao Stanford no mpanolotsaina voalohany an'i Obama mikasika ny politika Amerikana-Rosiana izay lasa ambasadaoro Amerikana any Rosia tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Niara-nametraka ny fifandraisana indray amin'ny Federasiona...
Mankalaza ny Faharesen'i Romney Ny Mpiserasera Isiraelianina
anaraka akaiky ny fifidianana tany Etazonia ny mpiserasera Isiraelianina, maro tamin'izy ireo no niari-tory mandra-maraina hahitany hoe iza tamin'ny kandidà no nahahoatra ny isan'ny mpifidy lehibe 270 nilaina. Maro an'isa ny Isiraeliana ao amin'ny tambajotra an-tserasera sy ny tontolon'ny bilaogy no manana fironana ankavia ka manantena indray ny hahavoafidy an'i Obama
Barack Obama Voafidy Indray sy Nahazo Vato Be Avy Tamin'ny Mpifidy Latino
Taorian'ny fifaninanana ho filoham-pirenena mafanavay , hotantanan'i Barack Obama mandritra ny efa-taona manaraka indray ny ho avin'i Etazonia. Mbola ny Twitter ihany no ahafahana mitsapa hafanana ny fihetsesham-po nandritra ny fifidianana.
Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?
Raha voafidy indray Barack Obama hitondra mandritra ny efa-taona any Etazonia, Afrika kosa dia manao tombana ny efa-taona nitondràny Amerika sahirana kokoa amin'ny olana ara-toekarena noho ny fifandraisana ivelany, indrindra ny fifandraisana amin'ny kaontinanta afrikana. Lehibe tokoa ny fanantenan'ireo afrikana, nefa maro no mieritreritra fa hahafahan'ny Filoha Obama mandinika lalindalina kokoa momba ny olana afrikana ny fe-potoam-piasàna faharoa azony.
Fomba Fijery Afrikana Mikasika ny Fifidianana Amerikana 2012
Atao amin'ny 6 Novambra ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana ary efa miditra lalina amin'ny zava-misy eo an-toerana ny fampielezan-kevitra. Manana hevitra samihafa ny mpitoraka bilaogy Afrikana mikasika ny mety ho fivoaran'ny fifidianana ary ny mety ho hantenaina amin'ireo kandidà.
Tontolo Arabo: Midika Fahatezeran’Andriamanitra Amin’i Amerika Tsy Tokam-po i Sandy
Satria ao New York sy New Jersey avokoa ny mason’izao tontolo izao mba hanaraka ny vaovao momba ny tafio-drivotra Sandy, sy ny fahapotehana naterany, miadihevitra ny mponina maro manerana ny tontolo Arabo raha sazy noho ny fahatezeran’Andriamanitra no anton’ny tafio-drivotra – mba hamaizana ireo tsy tokam-po sy ho fanasaziana noho...