· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Mey, 2018

Afrika : Ndao Resahana ny Fifidianana Ao Etazonia

  26 Mey 2018

Araka izany, bandy roalahy no tonga avy any mba hofidianareo. Ny iray tsy dia mitovy loatra aminareo, somary tanora, milaza aminareo hoe ananany daholo ireo hevitra goavana ho entina mandamina ny zavatra rehetra, fa miteny koa izy hoe mila mitondra ny anjara birikinareo koa ianareo mba hampandeha tsara an'izany. (Etazonia 2008)

Madagasikara: Manome Aina Indray Ny Nofinofy Amerikana i Obama

  25 Mey 2018

Tsy isalasalàna fa tena lavitra an'i Etazonia i Madagasikara saingy maha-romotra ao koa ny tazom-pifidianana. Saintsainin'ireo blaogera malagasy sasantsasany ny antony anarahan'izy ireo am-pahalinana ny fifidianana amerikana ary ny hoe midika inona ho azy ireo ny filoha Obama.

Shily-Etazonia: Ilay Fihaonan'i McCain sy Pinochet Tamin'ny 1985

  24 Mey 2018

“[ilay] nandà mafy indrindra ny tsy hipetraka eo anilan'ny mpanao jadona raha tsy efa misy fifanarahana mialoha, no nanao izany tamin'ny iray amin'ireo fahavalo tena henjana ho an'ny zon'olombelona, tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo olontsotra maherin'ny 3.000 ary famonjàna an'aliny marobe.”

Haiti: Ny Antoko Fanmi Lavalas Nalàna Tsy Ho Ao Amin'Ireo Fifidianana Manaraka

  23 Mey 2018

Na teo aza ny fanilikilihana nisy teo amin'ireo antoko politika sasany, nanantitrantitra i Janet Ann Sanderson Ambasadaoron'i USA ao Haiti […] fa any amin'ireo Fanjakana demokratika 'ireo fifidianana marina sy demokratika dia andraisan'ny rehetra anjara ary tsy manavaka' ary tsy maintsy manampy amin'ny 'fampiraisana ny demokrasia' amin'ny fampandraisana anjara an'ireo antoko politika lehibe rehetra.

Lahatsary Ho An'Ireo Jamba

  20 Mey 2018

Ankehitriny vokatry ny teknolojia, tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo sembana amin'ny fahitàna sy fandrenesana ho voahilikilika noho ny tsy fahafahany mampiasa solosaina.