Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Amerika Avaratra tamin'ny Oktobra, 2011

Etazonia: Mankatoa Lalàna Henjana Momba ny Fifindrà-monina Ny Fanjakana Ao Alabama

Ny 29 Septambra 2011, nankatoavin'ny fanjakan'i Alabama ny lalàna HB56, ny henjana indrindra amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina any Etazonia, nanaraka ny dian'ilay S.B.1070 an'i Arizona izay efa niteraka resabe tokoa, manao ny satan'ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ho toy ny mpanao heloka bevava. Vakio ny fanehoan-kevitry ny tontolon'ny bilaogy.

Tontolo Arabo: Mandria Am-piadanana Steve Jobs

Misaona ny tontolo Arabo noho ny fahafatesan'i Steve Jobs , mpitarika manana vina ao amin'ny orinasa Apple. Mameno ny valantserasera ny Fanomezam-boninahitra azy ary taitra tamin'ny torimasony ny mpiserasera raha nandre ny vaovao. Avy any Arabia Saodita, Aziz Shalan ni-tweet hoe: شكراً ستيف، ماقدمتة لنا ليس منتجات ربحية، بل فرصة لتغير...

Etazonia: Mitombo ny Tahan'ny Fahantran'ny Hispanika

Miharatsy hatrany ny toe-karena Amerikana. Manampy ny tahan'ny tsy fisian'asa efa tsy mety miala ihany koa ny tahan'ny fahantrana izay mahakasika vahoaka maherin'ny 46 tapitrisa, 15,1 isan-jaton'ny vahoaka, araka ny hita tamin'ny fanisam-bahoaka farany. Nanamafy ny manam-pahaizana fa ity no taha ambony indrindra hatramin'ny taona 1993. Mampanahy tanteraka ny toe-draharaha noho...