Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Emirà Arabo Mitambatra

28 Marsa 2019

Nanangana ny foibeny any Afovoany Atsinanana ny Skype

GV Mpisolovava

Anisan'ny tanjon'ny paikady ara-toekarena nasionaly ao Bahrain antsoina hoe 'Vision 2030'  izay ahitana ny rafitry ny fifandraisandavitra sy ny serasera ny fanambarana.

26 Marsa 2019

Mbola tazonina hatrany ilay Emirati mpikatroka na dia efa roa taona aza izay no nahavitany ny saziny

GV Mpisolovava

Nosamborina noho ny antso hanafahana ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Emirà i Al-Najjar.

05 Marsa 2019

Mahatsiaro rahonan'ny bilaogera ny fitondrana ao Afovoany Atsinanana

GV Mpisolovava

Raha mahatsiaro i Ejipta "afaka" fa tokony hatahorana ny bilaogera, inona no azontsika antenaina amin'ireo olon-kafa izay mbola mirehareha amin'ny didy jadon'izy ireo?

21 Janoary 2019

Emirà Arabo Mitambatra: voaheloka higadra ilay mpandrindra ny sehatra fifanakalozan-kevitra an-tserasera  

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tamin'ny 8 Aogositra 2007 i Mohamed Rashed al-Shohhi, mpandrindra ny sehatra fifanakalozan-kevitra an-tserasera ao amin'ny Ras Al-Khaimah ao Emirà Arabo Mitambatra no voasazy herintaona an-tranomaizina sy handoa lamandy efa ho 13.600 dolara amerikana (Dh50,000) noho ny votoaty noheverina ho nanala-baraka izay...

18 Janoary 2019

Gazetiboky antserasera iray ao Emirà Arabo Mitambatra nodidiana hikatona

GV Mpisolovava

Nahazo baiko hitakatona ny Hetta, gazetiboky an-tserasera Emirà Arabo Mitambatra rehefa resy tamin'ny raharaha nanenjehan'ny orinasa Media Abu Dhabi azy. Nahazo sazy handoa onitra 5500 dolara Amerikana ihany koa ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra, Ahmad Mohammed Bin Gharib ao  amin'ny e-gazetiboky izay gazetiboky antserasera voalohany nivoaka tamin'ny taona 1996

31 Desambra 2018

Ny herinandro tao Bahrain

Herinandro hafa mafana ny tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahrainita, miaraka amin'ireo bilaogera sasany mitolona ao ambadiky ny fanentanana fanoherana ny sektarisma, Just Bahraini; ny hafa kosa vao tafaverina tamin'ny fialantsasatra lavalava; ary misy ny mankalaza ny andro nahaterahany (?)!

10 Desambra 2018

Tontolo Arabo: Misioka ny Traikefa Hajj

Tamin'ireo Miozolomana 1.8 tapitrisa manao fivahiniana masina, na Hajj, mankao amin'ny tanàna masin'i Mecca, nanana fotoana vitsivitsy nangalarina izy ireo mba handefa hafatra amin'ny tarehintsoratra miisa 140 ho an'izao tontolo izao. Ireto misy sombintsombiny avy amin'ny resaka tao amin'ny tontolon'ny Twitter.

04 Desambra 2018

Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana

Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.

20 Novambra 2018

Masoarabo: Fihaonana mangina sy fiarahabana Eid

Eid ny ao amin'ny tontolo Arabo ary mankalaza ny faran'ny Volana Masina Ramadany miaraka amin'ny tabataban'ny hetsiky ny bilaogin'izy ireo ny bilaogera Arabo.

17 Novambra 2018

Masoarabo: Taombaovao miavaka!

Ny Taombaovao no fotoana handinihana ny lasa sy hamolavolana drafitra vaovao ho an'ny ho avy. Inona no lazain'ireo bialogera avy amin'ny tontolo Arabo satria manao veloma farany ny taona 2007 izao tontolo izao ary handray ny taona 2008?