Tantara mikasika ny Tiorkia
Herintaona mahery izay no nanangonan'ny manam-pahefana misahana ny media sy ny fifandraisana ao Tiorkia ny angon-drakitry ny mpisera
Nofaritan'ny antoko mpanohitra lehibe ho tantara ratsy indrindra amin'ny fihainon-dresaka teo amin'ny tantaran'ny Repoblika ny angon-drakitry ny mpisera tsy miankina nangonin'ny Manampahefana momba ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana ao Tiorkia (BTK) .
Nihiaka hoe ‘Vladimir Putin’ ireo Tiorka mpankafy baolina kitra nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'i Kyiv
Nihirahira hoe "Vladimir Putin" ireo mpakafy baolina kitra Tiorka nandritra ny lalao nifanandrinana tamin’ny ekipa Okrainiana Dynamo Kyiv, ho fanondroana ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina amin’izao fotoana izao. Nanaraka izany ny tantara ratsy iraisam-pirenena.
Ny Mpikatroka Emre Pshigusa miresaka ny asa fameloma-maso indray ny fiteny Circassian-Kabardian ataony
Tamin'ny alalan'ny fikarohana nataony momba ny fiteny Circassian-Kabardian ao amin'ny Oniversiten'i Ohio, dia mazoto i Emre hampiroborobo ny fiteny amin'ny habaka ankihy (nomerika) ho fitahirizana azy.
Mifandona amin'ny fitsarana tampony eoropeana amin'ny resaka zon'olombelona i Torkia
Tamin'ny 11 Jolay, nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona (ECtHR) fa tsy nahatanteraka ny andraikiny araka ny Andininy 46/1 amin'ny Fifanarahana Iraisampirenena Momba ny Zon'olombelona i Torkia tamin'ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana tamin'ny taona 2019 hamotsorana an'i Kavala.
Fidirana ao amin'ny angon-drakitry ny “Unfreedom Monitor”
Fisantaran'andraikitra Advox ny Unfreedom Monitor handalinana ny fahatakarantsika ny fifandraisan'ny teknolojia sy ny fahefana tsy refesi-mandidy.
Tiorkia, hira iray miresaka fifankatiavana lehilahy roa, niteraka fanehoankevitra miiba
Niteraka valin-kafatra masiaka avy amin'ireo vahoaka mpifikitra amin'ny nentindrazana ao amin'ny firenena ihany koa ilay hira. Hamafisin-dry zareo fa tsy manana ny toerany ao anaty firenena toa an'i Tiorkia ilay lahatsary.
Tranokalam-baovao roa nobahanan'i Torkia
Nosakanan'ny Filankevitra Ambonin'ny Radio sy Televiziona (RTÜK) ao Tiorkia tamin'ny 30 Jona ny fidirana amin'ny tranonkalan'ny Voice of America (VoA) amin'ny teny Tiorka sy ny DW amin'ny teny Tiorka rehefa tsy nety hanao fangatahana fahazoan-dalana hampiely (vaovao) ry zareo.
Maresaka amin'ny media sosialy Tiorka ny fandroahana devoly tamin'ny fahitalavitra
Mamaritra ny tenany ho manam-pahaizana momba ny metafizika ilay vehivavy iray antsoina hoe Pelin Hürman any Torkia, nanao fampisehoana fandroahana devoly tamin'ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra izy ary vetivety dia lasa fihomehezana manerana ny firenena tao amin'ny media sosialy.
Ben'ny tanàna fahiny tao Tiorkia milaza fa nahita tahirina vatomamy (jellybeans) nafenina ireo tomponandraikitra
Namaly fanontaniana momba ireo tahirin-tsolika hita vao haingana ilay ben'ny tanàna fahiny rehefa nanao fanehoankevitra momba ny nahitàna tahirina vatomamy marobe
Manjary kianja iadiana ara-politika ny rindrankira ao Tiorka
Andianà fandraràna fampisehoana miteraka adihevitra ao Tiorkia mampirongatra fanakianana ny antoko eo amin'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana (AK) noho ny fametrahana fameperana zary tarazo mihatra amin'ny olom-pirenena sy ny zavakanto.