· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Janoary, 2019

Toa nakaton'i Tonizia ny fidirana ao amin'ny Facebook

GV Mpisolovava  09 Janoary 2019

Toa nakaton'i Tonizia ny fidirana ao amin'ny Facebook androany. Bilaogera Toniziana sasany ao amin'ny firenena no nitatitra fa tsy afaka niditra tao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy malaza ary naka pikantsary maromaro misy ny pejy hosoka 404.

Tonizia: Matetika niharan'ny fanafihana ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdir  

GV Mpisolovava  09 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nisy nanafika ilay mpanao gazety Toniziana sady bilaogera Slim Boukhdhir raha nandao ny cybercafé iray tao Tunis taorian'ny famahanana bilaogy momba ny andraikitr'i Houssem Trabelsi , anadahin'ny vadin'ny filoha ao Tonizia, nandritra ny fampisehoana nifanosehana nahafatesana olona tao Sfax (Kaonseritra...

Tonizia: Nakatona ve ny Youtube?

GV Mpisolovava  08 Janoary 2019

Raha marina izany, dia ny Youtube no tranonkala fizarana lahatsary faharoa nakatona tao Tonizia. Hatramin'ny 3 Septambra 2007, mbola nosakanan'i Tonizia ny fidirana ao amin'ny Dailymotion.

Nakatona-nosokafana-nakatona indray ny Dailymotion ao Tonizia

GV Mpisolovava  07 Janoary 2019

Dailymotion, tranonkala fifampizaràna horonantsary tahaka ny YouTube ao Frantsa no nakatona indray any Tonizia. Mbola tsy mazava raha ny sampana fehezin'ny fanjakana ATI (Agence Tunisienne d'Internet), izay iasan'ny mpamatsy tolotra aterineto rehetra ao Tonizia no nametraka ny fandraràna.

Nosakanan'i Tonizia ny fidirana amin'ny Dailymotion

GV Mpisolovava  05 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny Alahady 1 Aprily 2007, nanakana ny fidirana amin'ny tranonkala fifampizarana lahatsary Frantsay malaza Dailymotion ny manampahefana Toniziana, hoy ilay bilaogera Toniziana Astrubal raha nanoratra . ” Mety vokatry ny famoahana lahatsary maromaro momba ny toe-draharaha politika any Tonizia...

Fanentanana aza sakanana ny Dailymotion

GV Mpisolovava  05 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Taorian'ny fandrarana nataon'ireo manampahefana Toniziana mikasika ny tranonkala fifampizarana lahatsary malaza Dailymotion, dia nanomboka ny ” fanentanana Alefaso ny Dailymotion ” ireo bilaogera Toniziana sy mpikatroka ny 6 aprily 2007, mba hanasongadinana ny fandrarana tsy ara-drariny sy hisarihana ny...