Tantara mikasika ny Syria

Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana

  14 Jolay 2019

Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka)  ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.

Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy Kiorda

  22 Mey 2019

Ity ny herinandroko voalohany nampiasana fanangonam-baovao mba hijerena ireo bilaogy Kiorda ary tsy azoko antoka izay fahatsapako momba izany. Tena nankafy nijery bilaogy tsirairay isan-kerinandro ny ampahan'ny tenako, saingy mety ho tena mandany fotoana be izany.

Nalaina an-keriny ilay bilaogera Syriana Roukana

GV Mpisolovava  17 Mey 2019

Vaovao farany: Naharay antso avy amin'i Rokana Hamour izahay ny alina lasa teo (26 Oktobra). Salama izy. Nohadihadian'ny sampan-draharahan'ny fiarovana Syriana momba ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny bilaoginy izy. Navotsotra i Rokana ora telo taty aoriana.

Syria: miha-maro ireo lasibatry ny famoretana antserasera

GV Mpisolovava  16 Mey 2019

Manambara ny tatitra vaovao navoakan'ny Human Rights Watch fa olona roa no nogadraina mangina any amin'ny toerana tsy fantatra ao Syria. Nosamborin'ny Sampam-pitsikilovana miaramila Syriana tamin'ny volana jona 2007 i Karim 'Arbaji (29 taona) sy Tarek Biasi (22taona) noho ny fanehoan-kevitra antserasera mitsikera ny governemanta Syriana.

Syria: Nosakanana ny Blogspot? Inona no atao manaraka?

GV Mpisolovava  15 Mey 2019

Araka ny tatitra farany avy any Syria, dia toa voalaza fa nakaton'ireo mpamatsy tolotra aterineto Syriana rehetra ny sehatra Blogger an'ny Google, izay mampiantrano ny bilaogy malaza blogspot.com. Nakaton'i Syria imbetsaka ny fidirana ao amin'ny Blogspot.