· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Syria tamin'ny Jona, 2011

Siria: Manao Hetsi-Panoherana ho an'ny Hoavin'ny Ankizy

  03 Jona 2011

Miteny anatinà andian-dahatsary mahavaky fo ao amin'ny Youtube ireo tanora tra-doza tao Siria, milaza amin'ny antsipirihany ny zava-doza niainan'izy ireo sy ny fianakaviany andro aman'alina nandritra ireo fotoanan'ny revolisiona tao amin'ny fireneny nanoherana ny fitondran'i Bashar Al Assad. Ny hetsi-panoheran'ny androany Zoma dia natolotra ho an'ireo ankizy Siriana sy ny ho avin'izy ireny.

Siria: Manomana Fanambaràna Any Antalya ny Mpanohitra

  03 Jona 2011

Andro iray monja taorian'ny nanambaran'ny filoha Bashar Assad ny famotsoran-keloka ho an'ireo gadra politika, mivory ny vondrona Siriana ahitàna ireo mpanohitra mba hanao ilay antsoin'ny tatitra iray hoe sori-dalàna ho an'ny tetezamita milamina sy demokratika ao Siria.