Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Syria

21 Avrily 2019

Fanehoankevitra Maneran-tany Taorian'ny Famotsorana Ilay Nahavanona Fanapoahana Baomba Tao Lockerbie

Misy amin'izao fotoana izao ny resabe mirehitra eny amin'ny onjampeo sy ny tontolon'ny bilaogy, ho fanehoankevitra momba ilay fanapahankevitry ny fitsarana ao Ekaosy hanafaka ilay Libiana mpampihorohoro, Abdel Basset al-Megrahi, alohan'ny fiafaran'ny saziny, noho ny antony maha-olona sy ara-pahasalamana

16 Avrily 2019

Bilaogera Arabo nitaky ny famotsorana ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona tany Syria

GV Mpisolovava

Fanambarana navoakan'ny mpandray anjara tamin'ny Fivorian'ny Bilaogera Arabo Fahaefatra, manohana ny famotsorana an'i Razan Zaitouneh, mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona sady mpiara-manorina ny Foibe Mitatitra ny Fanitsakitsahana ny Zon'olombelona ao Syria .

09 Avrily 2019

Arahabao i Bassel fa tsingerintaona nahaterahany ny 22 Mey

GV Mpisolovava

Nankalaza ny faha-33 taonany - ny fahatelo tao an-tranomaizina tany Damaskosy ny Alakamisy 22 May 2014 i Bassel Safadi.Tsy tianay i Bassel hankalaza ny tsingerintaona nahaterahany, irery any am-pigadrana. Tianay izy handre ny feonay miteny mafy sy mazava ary mahafantatra fa mbola manohana azy izahay amin'ny raharahany.

08 Avrily 2019

Syria: Nosamborina indray i Razan Ghazzawi

GV Mpisolovava

Nisambotra ilay bilaogera Syriana sady mpiaro ny fahalalaham-pitenenana Razan Ghazzawi ny mpitandro filaminana Syriana niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy tao amin'ny biraon'ny Foibe Syriana ho an'ny Fahalalaham-pitenenana ao Damaskaosy.Faharoa izao no nisamborana an'i Razan Ghazzawi.Niteraka fisalasalana ho an'ireo mpisera aterineto ny vaovao izay tsy ela akory dia naneho hevitra.

01 Avrily 2019

Nanakatona ny bilaogin'ilay mpikatroka mpandala ny zon'olombelona i Syria 

GV Mpisolovava

Nosakanan'ny manampahefana Syriana ny fidirana tao amin'ny bilaogin'ilay  mpikatroka mafàna fo mpiaro mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera Mohammad Al-Abdallah, 26 taona izay nibilaogy tao amin'ny Raye7wmishRaj3  (Lasa aho ary tsy hiverina).  Afaka nidirana ilay bilaogy voasakana tamin'ny alàlan'ny HTTPS na tamin'ny alàlan'ny http://rwmr.wordpress.com/

29 Marsa 2019

Lalam-pahafahana sarotra nodiavin'ny Syriana iray

Sambany izahay nandritra ny taona maromaro nahita làlana tsy simban'ny balafomanga, sisin-dalana tsy misavovon'ny fako ary ny rindrina tsy voakitiky ny ady

25 Marsa 2019

Jordania: “Mampody an'i Raad” avy any Syria

Natsangana amin'ny aterineto ny hetsika hanerena ny manampahefana Syriana hamotsotra ilay Jordaniana Raad Kawar, izay nogadraina nanomboka ny 19 Aprily.

17 Marsa 2019

Raha Toa Ka Mametraka An'i Siria Ao Anatin'ny Lisitra Fotsy, Mbola Sakanan'ny Linkedin Hatrany Kosa Ireo Mampiasa Aterineto Any Sodana!

GV Mpisolovava

Taorian'ny nanakanan'ny Linkedin, ilay tambajotra sosialin'ny fandraharahàna, ireo mpampiasa Aterineto tany Siria ary avy eo namela azy ireo indray sady niala tsiny (toy ny notaterin'ny ArabCrunch.), voamarina fa mbola tsy afaka miditra amin'ny Linkedin ireo mpampiasa Aterineto any Sodàna (firenena Afrikana Arabo ), izay nosakanan'ny Linkedin efa volana maro lasa...

06 Marsa 2019

Syria: Bilaogera voasambotra, mpanao gazety tsy hita

GV Mpisolovava

Nandritra ny famoretana ny hetsi-panoherana tao Daraa, Syria, mpanao gazety iray no voalaza fa tsy hita, raha bilaogera iray kosa no voalaza fa voasambotra fotoana fohy taorian'ny namotsorana azy tamin'ny fisamborana teo aloha.

28 Febroary 2019

Syria: Avotsory i Razan Ghazzawi

GV Mpisolovava

Nosamborin'ny manampahefana Syriana androany i Razan Ghazzawi, bilaogera ao amin'ny sisintany Syriana sy Jordaniana. Niteraka tsikera sy fahatezerana teo amin'ireo bilaogera sy mpikatroka manerantany, izay nitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro ny fisamborana a'ni Razan.