Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Arabia Saodita

Arabia Saodita: Nakatona ny bilaogin'i Fouad Alfarhan’ sy ny Freefouad

Nakatona androany ny bilaogin'ilay bilaogera Saodiana nogadraina Fouad Alfarhan any Arabia Saodita sy ny tranonkala Freefouad, izay natokana ho an'ny raharaha Alfarhan sy ny bilaogy mpomba ny reformista antsoina hoe Freedoms.

Youtube: Nosamborina ilay tovolahy Saodiana misoloky ho polisy manamboninahitra

Nitatitra ny Pinkpaper.com fa nogadraina nandritra ny herintaona, nandoa onitra 1 300 dolara  amerikana, ary novelesina karavasy in-1.000 noho ny famoahana lahatsary pelaka i i Ahmad al-Faqih.

Arabia Saodita: Voasakana ny bilaogin'i Milyani

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nisy adihevitra nampientam-po tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana taorian'ny vaovaon'ny fanakanana ny bilaogin'i Mohammed Milyani avy amin'ny Internet Services Unit (ISU). Ary na dia nisy aza ny fanombatombanana matanjaka fa noho ny olana ara-teknika ny sakana, satria pejy vitsy...

Ejypta: Fihaonambe ara-pinoana sy ny fifandraisana Arabo-Isiraeliana

Sambany nipetraka tamin'ny efitrano iray niaraka tamin'ireo mpitondra ara-politika Israeliana ny mpanjaka Saodiana Abdullah, nandritra ny fihaonambe "ara-pinoana" karakarain'ny Firenena Mikambana, natao tao New York, Etazonia.

Fitempon'ny Tontolombolongana Saodiàna

Tena herinandro milamina ho an'ny tontolombolongana Saodiàna ny herinandron'ny 13 Aprily 2006. Na izany aza, lahatsoratra tsara marobe no mety ho hitan'ireo blaogera avy ao anatin'ny firenena, ary koa avy amin'ireo izay monina any ivelany.

Arabia Saodita: Tohanan'ny mpiserasera ny Ejipsiana amin'ny fitroarany

Nampindrana ny fanohanany tamin'ny Ejipsiana amin'ny fitroarana manohitra ny fitondran'ny filoha Hosni Mubarak nitondra nandritra ny 30 taona ny mpiserasera Saodiana. Maro ny mijery ireo tatitra ary maneho hevitra amin'ny fivoarana eny an-kianja raha miditra amin'ny andro fahafito ireo fihetsiketsehana lehibe mitaky ny fiovam-pitondrana.

Arabia Saodita: Avy indray ny orana ao Jeddah

 Niharan'ny orambe indray ny tanàna seranan-tsambo Ranomasina Mena ao Jeddah, Arabia Saodita, mamerina indray ny tenifototra #Jeddahrain malaza ao amin'ny Twitter. Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto, izay naneho ny fahatezerany tamin'ny kolikoly sy ny fahasimban'ny fotodrafitrasan'i Jeddah.

Fantaro Ireo Mafana Fo Mpiaro Ny Zon'ireo Vehivavy Nofonjaina Tany Arabia Saodita?

Tamin''ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ireo vehivavy mpiaro ny zon'ny vehivavy, nankalazaina ny 29 novambra, manohy manao antso ho fanafahana an'ireo Saodiana mahery fo ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona,

Tontolo Arabo: Misioka ny Traikefa Hajj

Tamin'ireo Miozolomana 1.8 tapitrisa manao fivahiniana masina, na Hajj, mankao amin'ny tanàna masin'i Mecca, nanana fotoana vitsivitsy nangalarina izy ireo mba handefa hafatra amin'ny tarehintsoratra miisa 140 ho an'izao tontolo izao. Ireto misy sombintsombiny avy amin'ny resaka tao amin'ny tontolon'ny Twitter.

Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana

Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.