Tantara mikasika ny Katara
Qatar: Adihevitra momba ny fametraham-pialan'ny filohan'ny foiben'ny fahalalahan'ny media
Noho ny fifandonana tamin'ny governemantan'i Qatar, niala tao amin'ny Foiben'ny Fahalalahan'ny Media ao Doha i Robert Ménard sy ny ekipany.
Fifidianana Filohampirenena ao Etazonia: Mbola Hery Mavesatra Ao Amerika Ve Ny Fankahalana Sy Ny Fampitahorana?
.Mainty, Silamo ary Tsy tia Amerikana. Ireo, raha tena izy, no niantsoana an'i Barack Obama, ilay Demokraty mpifaninana ho filoha, tamin'ny andro faramparany teo. Misy loza mandondona an'i Obama ve ary mbola hery mavesatra ao Amerika ve ny fankahalana sy ny tahotra?
Arabeyes: Alahelo An'i Bhutto
2007 - Tamim-pihetseham-po no nandraisan'ny tao Afovoany Atsinanana ny vaovao momba ny fahafatesan'ny Praiminisitra Benazir Bhutto. Tamim-pitandremana, fahatairana, fahatezerana ary fanekena ny tsy fisian'ny fanantenana ho an'ny taranak'olombelona no nanehoan'ireo bilaogera ny heviny.
Qatar: Vondrom-Piarahamonina An-tserasera Tonga Hanampy ny Mpiasa
Nifamory ny mpikamban'ny Qatar Living hanome fanampiana vondrom-piarahamonina ivelan-tserasera iray ahitana mpiasa 600 izay very nandritra ny fahamaizan'ny tobin'ny mpiasa ny fananany iray manontolo, hoy ny nosoratan'i Mohamed Nanabhay, avy ao Doha, Qatar.
Qatar: Nanova Ny Pasipaorony Ho Qatari Ilay Mpanakanto Indiana MF Husain
Nahitana fahatafintohinana, fahatairana ary hafaliana ny fanehoan-kevitra tao amin'ny aterineto, satria notolorana ny zom-pirenena Qatari ary nanaiky izany i MF Husain, iray amin'ireo mpanakanto sady ankafizina indrindra no ankahalaina indrindra ao India.
Fantaro Ny Tontolon'ny Bilaogy Qatari
Namaritra ny fanjakana Qatar bitika kanefa manankarena ho "Firenena kely be fitiavana" ny mpitsangatsangana. Na dia famaritana tsy manam-paharoa aza izany dia mbola maro amin'ireo ao amin'ny faritra no mieritreritra an'i Qatar ho toy ny "firenena bitika manam-bava " satria manohana ara-bola sy mampiantrano ny AlJazeera izy.
Bahrain: Nahoana Ny Biraon'i Al Jazeera No Nakatona?
Nambaran'i Bahrain fa vonjimaika no nanakatonana ny biraon'ny Fantsona Al Jazeera Mandeha amin'ny Zanabolana noho ny "fanitsakitsahana ireo fifanarahana arak'asa". Mihetsika amin'ny fampiroboroboana ity lahatsoratra ity ireo mpitoraka bilaogy sy mpibitsika - indrindra fa taorian'ny tsaho niely fa nakatona ny foibe any Katàra noho ny tatitra navoakany momba ny fahantrana ao Bahrain. Mandritra izany fotoana izany, milaza ny Al Jazeera fa tsy mbola nampiasa akory ny birao tao Bahrain fa inona no tena zava-nisy marina?
Tontolo Arabo: Nahoana No Mangina Ny Arabe Mandritra Ny Lalao Baolina Kitra
OIona an-tapitrisany manerantany no miraikitra eo amin'ny fahitalavitra, mijery ny lanonana fanokafana ny Fiadiana ny Amboara Erantany avy ao Afrika Atsimo- ary tsy hafa amin'izany ny zava-misy ao amin'ny tontolo Arabo.
Ny Herinandro Tao Koety
Avelan'i Nibaq tao an-trano fandrona ny milina fanoratsoratany ka dia manoratsoratra eo daholo ny tsirairay ao an-tokantrano
Maraoka: Tondradrano Mahatsiravina Tany Tanger
Nandritra ny taona vitsy lasa izay, niaina haintany i Maraoka. Indrisy anefa fa nifarana tamin'ny oram-batravatra izay niteraka tondradrano mahatsiravina tany avaratr'i Maraoka izany haintany izany. Olona miisa 13 no maty farafahakeliny .