Tantara mikasika ny Katara
Tontolo Arabo: Misioka ny Traikefa Hajj
Tamin'ireo Miozolomana 1.8 tapitrisa manao fivahiniana masina, na Hajj, mankao amin'ny tanàna masin'i Mecca, nanana fotoana vitsivitsy nangalarina izy ireo mba handefa hafatra amin'ny tarehintsoratra miisa 140 ho an'izao tontolo izao. Ireto misy sombintsombiny avy amin'ny resaka tao amin'ny tontolon'ny Twitter.
Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana
Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.
Syria: Tsy afaka miaraka ireo mpitarika Arabo, na dia ao anaty efitra aza
Raha niditra tamin'ny herinandro fahatelo ny herisetra tao Gaza; dia tsy nahavita niombon-kevitra tamin'ny filàna hanaovana fihaonambe maika ho an'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Ligy Arabo izay nangatahan'i Qatar sy Syria ireo mpitondra rabo. T
Fitsidihana ny bilaogy manerantany Talata
Mahmood of Mahmood's Den manambara fa tsy ny handray ny torolàlana avy amin'ny Reporters sans frontières ho an'ny aterineto maimaim-poana ihany no ataony fa handika izany amin'ny teny arabo koa izy, ary handefa azy ireo any amin'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta.
MENA: Brrrrrrrrrrrrrr…Mangatsiaka
Brrrr ... Mangatsiaka be eto Afovoany Atsinanana no hafatra nirongatra tamin'ny bilaogy vao haingana. Ity famintinana izay nolazain'ireo bilaogera sasany momba ny hatsiaka ao amin'ny faritra, ao amin'ny toerana mafana sy indraindray mibaliaka masoandro manerantany.
Masoarabo: Afovoany Atsinanana “an-tsary”
Tsy misy zavatra sarotra atrehina ankoatra ny fahaverezana namana akaiky sy ny manjoa ilay bilaogera monina ao Ejypta, Maryanne Stroud Gabbani, raha nanao veloma farany ho an'ny soavaliny Blue Boy ao amin'ireto sary ireto izy.
Fifangarona mahafaty: Ny fomba fampiasan'ny governemanta ao MENA ny lalàna mikasika ny heloka an-tambajotra sy ireo rindrambaiko mpijirika mba hikendrena ireo mpikatroka
Mbola mamorona lalàna mikasika ny heloka an-tambajotra foana nireo governemanta ao amin'ny Gôlfa mba ho toy ny fiarovana tsy ara-drariny nefa eken'ny lalàna natao hikendrena ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona.
Aza Darohana baomba izahay – Blaogin'ny Mpiasa ao amin'ny Al Jazeera
Nanokatra blaogy ny mpiasa tao amin'ny Al Jazeera noho ilay fanambaran'ny Daily Mirror fa ho darohan'i Bush baomba ny Al Jazeera.
Sioka avy any Beirota: Andro faharoa tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo
Nanomboka tamin'ny famelabelarana momba ny Herdict Web ny andro faharoa tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo, tranonkala iray izay mampiasa ny crowdsourcing mba hanangonana ny tatitra momba ny sivana amin'ny aterineto avy amin'ireo mpisera manerantany.
Qatar: Hazavana hafahafa teo ambonin'i Doha
Nijery ny lanitry ny alina sady niezaka namantatra ireo hazavana nivezivezy hafahafa izay azon'ny bilaogera an-tsary tamin'ny findainy ireo bilaogera ao Qatar. Moa ve OVNI izany sa fiaramanidina, sa meteorita sa Spiderman?