Tantara mikasika ny Palestina

Tontolo arabo: Miantso an'i Gaza sy ny ady ara-teknolojika atao amin'i Israely

  25 Jolay 2019

Miantso ny mpamaky azy ireo bilaogera mba handray ny telefôniny ka hiantso ireo mponina ao Gaza mba hanome fanohanana azy ireo. Eo koa ny Palestiniana mpikatroka mandrisika ny mpamakiny hiantso ny manampahefana Israeliana - ary mandany ny fotoanan'izy ireo, ary mitoratoraka mailaka amin'ny fax-ndry zareo sy mameno hafatra ny fitoeran-taratasy.

Ity herinandro ity tao amin'ny bilaogy Palestiniana : Oran-dohataona

  20 Jona 2019

Hetsi-panoherana am-pilaminana hafa nivadika ho korontana ny herinandron'ny 11 Aogositra...nitifitra mpanao fihetsiketsehana tamin'ny bala fingotra sy baomba mankarenina ireo miaramila Israeliana. Nitatitra ny International Solitary Movement hoe efatra ambinifolo ny olona naratra, nisy Israeliana iray mpikatroka mafana fo . Ny Bethlehem Bloggers no nahazo fampitam-baovao voalohany avy amin'ilay mafana fo Jenny Digi

Afovoany – Atsinanana : Isiraely sy ny Fampiasana Fôsfôra Fotsy ao Gaza

  24 Mey 2019

Nihorohoro ireo mpijery fahitalavitra manerantany nahta ireo sary mampihoronkoditry ny niharan-doza tao Gaza - ny sasantsasany tamin'izy ireo dia nanjary ratsy endrika efa mila tsy ho fantatra intsony. Miantso an'i Isiraely ny ONG iraisam-pirenena mpiaro zon'olombelona Human Rights Watch, mba hamarana ny fampiasana tsy ara-dalàna fôsfôra fotsyamin'ny adiny amin'i Gazà.

Ejipte-Gaza : Rafah, lafy ejiptiàna

  23 Mey 2019

Mijere ao ivelany. MITSIKY AMINAO ny F-16. Mandihy ho anao ireo BALAFOMANGA. Mihira ho anao ZANNANA, satria samy nasaiko DAHOLO ry zareo mba hirary * TAONA VAOVAO IRAY SAMBATRA ho anao

Syria: Mandefa ireo fanampiana any Gaza ny Vokovoko Mena (Volantsinana Mena)

  04 Mey 2019

Nitatitra momba ny ezaky ny vokovoko mena Syriana Arabo amin'ny fandefasana fanampiana any Gaza ny Syria News Wire androany. Nahomby tamin'ny fandefasana kamiao 11 ahitana fanafody sy sakafo milanja 230 taonina any Gaza ity vondrona mpanao asa soa ity, izay mpikambana ao amin'ny Komity Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena.

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

  30 Avrily 2019

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?

  30 Avrily 2019

Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.

Palestina: Mitàna ny fahatsapana maha-olombelona ao Gaza

  26 Avrily 2019

Satria miharatsy isan'andro isan'andro ny toe-draharaha ao Gaza, maro no miady tsy amin'ny fahasarotan'ny fiainana andavanandro ihany, fa amin'ny fiovan'ny soatoavina hita manodidina azy ireo koa, ao anatin'ny fiarahamonina izay lasa nanjakan'ny fisainana Islamista. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, manoratra tabatabam-pahakiviana ny bilaogera iray ao Gaza .