· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2018

Niantso ho amin'ny fanovàna ny Irakiana 

  09 Septambra 2018

Nitranga nanerana ny tontolo Arabo ny fitroarana sy ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2011.  Nikarakara fihetsiketsehana ny olona tany Libya, Alzeria , Maraoka , Bahrain ary firenena Arabo hafa. Tsy nisy hafa tamin'izany ny tao Iraka izay nahitana vahoaka nitaky fanovàna.

Bahrain: Nicholas Kristof, vavolombelona nanatri-maso

  08 Septambra 2018

Nicholas Kristof , mpanao matoandahatsoratra ao amin'ny New York Times izay efa in-droa nahazo ny loka Pulitzer no nitatitra ny tranga niseho tao Bahrain tao amin'ny kaontiny Twitter . Raha vao tonga tao Bahrain roa andro i Kristof dia voalaza fa maty ny mpanao fihetsiketsehana anankiroa...

Egypta: Sawiris sy Minnie Mouse mitafy niqabi 

  07 Septambra 2018

Ilay kristiana politisiana, Naguib Sawiris dia namoaka sariitatra tao amin'ny kaonty Twitter-ny izay nampiseho a'i Mickey Mouse niaraka tamin'ny volombava sy Minnie Mouse mitafy Niqab, ary naneho hevitra momba izany toy ny hoe: "Micky sy Minnie rehefa any aoriana..." Niteraka fitsikerana maro ity sariitatra ity ka voatery noesorin'i Sawiris izany.

Torkia am-pitendrena milina: Ny vono olona tao Malatya

  06 Septambra 2018

Olon-doza vitsivitsy no nankany amin'ny mpanonta baiboly ao an-tanànan'i Malatya, Torkia indray andro. Nahita olona telo tsy manan-tsiny izy ireo: misiônera Kristiana roa sy mpiasa iray. Nofatoran'ireo olon-dratsy ny tanana sy ny tongotr'ireo olona telo ireo no sady nampijaliana, ary avy eo notapahana ny tenda.

Egypta: Mampiasa ny Twitter ho an'ny fahasalamana tsara kokoa

  06 Septambra 2018

Azo ampiasaina ve ny Twitter hamonjena ain'olona na hanatsarana ny fahasalamany? I Tarek Amr dia manao topi-maso ny kaonty Twitter izay tantanan'ny mpivady iray ao Egypta, mikendry ny hampitombo ny fanentanana ara-pahasalamana eo amin'ny fiarahamonina, izay matetika mahakasika ny lohahevitry ny zava-pady, toy ny fanabeazana ara-pananahana.

Egypta: Efa nazava ny fandresen'i Obama

  06 Septambra 2018

Ninoana mihitsy fa samy nanana ny heviny ireo bilaogera Egyptiana momba ilay filoham-pirenena vaovao eto amin'izao tontolo izao ... ehm ... Etazonia rehefa fantatra tamin'ny fomba ofisialy fa i Obama no filohan'i Etazonia faha 44, hoy i Tarek Amr nanoratra raha nanadihady ireo bilaogy Egyptiana nandritra ny alin'ny valim-pifidianana manan-tantara.

Egypta: Nosakanan'ny Blogger ny bilaogin'i Nawara

  05 Septambra 2018

Toa hita fa tsy ny mpitondra ny firenena mahantra ihany no manakana ny bilaogin'ny olona. Toa hita fa nanapa-kevitra ny hanara-dia ny Blogspot, ary nanakana ny Bilaogin'i Nawara Negm (Tahyees), tsy nisy filazana antony manokana. Ary nanoratra momba ity tranga ity amin'ny teny Arabo i Ahmed Shokeir .